Ny fanoherana ny fifidianana filoham-pirenena izay lazainy ho teren-ko masaka no tena imasoan’ny Vovonana ho an’ny Filaminana sy ny Fanarenam-pirenena sady mbola manamafy izany rahateo izy hatramin’izao.
Manahy ireo mpikambana fa krizy no miandry izay governemanta vaovao mijoro raha tanteraka soa aman-tsara ny fifidianana raha toa ka tsy misy ny fiaraha-mientan’ny sehatra rehetra mametraka ny fanavaozana lalim-paka takian’ny firenena. Ilaina ny fampihavanana ara-politika, toekarena, sosialy, ara-kolontsaina ary hatramin’ny ara-tantara eo amin’ny Malagasy vao tokony hatao ny fifidianana, hoy ity vovonana ity. Aminy dia ny fanarenana ara-tsosialy aloha no tena laharam-pahamehana mialoha ny zava-drehetra amin’ny alalan’ny fijerena manokana ny famatsiana ara-tsakafo, ny fanaovana maimaimpoana ny fitsaboana sy fanabeazana, ny fampananan’asa ary ny fandriampahalemana. Iarahana manatanteraka amin’ireo mpiara-miombonantoka ny famerenana ny tetikasa fiahiana ireo tena sahirana izay niato nanomboka tamin’ny 2009. Eo amin’ny lafiny ara-toekarena dia mihevitra ny vovonana ho an’ny filaminana sy ny fanarenam-pirenena fa ampy enti-mampandroso ny firenena ny sehatry ny harena ankibon’ny tany sy ny fizahantany miampy ireo seha-pamokarana 3 (fambolena, fiompiana ary jono) raha misy ny politika ara-pihariana mirindra. Ny volam-panjakana madiodio miampy ny vodiondrim-barotra azo avy amin’ireo orinasa maniry hitrandraka ny solitany, ny etona ary ny andramena giazana amin’izao fotoana aloha no loharanom-bola voalohany izay vao ny avy any ivelany. Raha ny hevitry ny vovonana dia mila misokatra amin’ ireo firenena miha matanjaka ankehitriny firenena misandratra toa an’i Chine, Inde, Australie… isika. Midadasika be ny sehatra ahafahana miara-miasa amin’ny mpandraharaha avy amin’ireo sokajina firenena ireo sady mamorona asa rahateo koa.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.