Vovonana Firaisankina naneho fa omen’ny SADC zo

« Tsy hihemotra intsony manoloana ny fampihorohoroana »


  • Alakamisy 21 Aogositra 2025

Mbola misy ampahany betsaka amin’ny fenitra mifehy ny SADC no tsy ampiharin’i Madagasikara.

Mbola voasokajy ho Firenena voageja anatin’ny tsy fahalalahana samihafa i Madagasikara, hoy ny vovonana Firaisankiana notarihin’i Marc Ravalomanana omaly. Nampahatsiahy ity vovonana iray avy amin’ny fanoherana ity fa betsaka ny fenitra na « protocole » anatin’ny SADC tsy voahaja. « Tokony hanaraka tsara ireo fenitra na « protocole » an’ny SADC dia ny fanajana zon’olombelona sy zo fototra maha olona, demokrasia sy tany tan-dalàna, fanajana ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety, fanajana ny zo hiteny sy hivory ankalahalahana, fanekena ny fisian’ny mpanohitra, fahalalana sy fahadiovan’ny fifidianana izay andraisan’ny rehetra anjara », hoy i Marc Ravalomanana. Nanizingizina ny Firaisankiana fa tokony hampiharina feno ireo fepetra. Mbola hiharitra famoretana sy fampihorohoroana ve ? hoy izy ireo. Nilaza fa handefa taratasy amin’ny mpitantana ny SADC, ary miantso azy ny tokony hanajana izany ny fanoherana. Nilaza fa tsy hanaiky intsony ny teritery sy antsojay na fangejana, fa hampiasa ireo zo sy fahefana mikasika ny fahalalahana ananany noho izany ny Firaisankina, ary raha minia mitsivalana sy miziriziry amin’izany ny Fanjakana dia hibaribary amin’ireo filoham-panjakana rehetra ny zava-misy. Niarahaba ny fitantanan’i Madagasikara moa ny Firaisankina ary nitodika manokana amin’ny Chair person an’ny SADC, fa tokony ho maodely. Nilaza fa niresaka tamin’ireo tomponandraikitry ny SADC izy ireo, ka nekena fa tsy hanaiky intsony manoloana ny fampitahorana sy fandrahonana samihafa ny fanoherana. Nisy niteny avy amin’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny hoe : aza henoina akory ireo, saingy tena nihaino ny SADC raha ny nambaran’ny vovonana Firaisankina, izay nanizingizina fa hiroso lalina kokoa amin’ireo zo ara-demokratika samihafa voafaritry ny satan’io rafitra ivondronana firenena aty Afrika io.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT