Notsokafonin’ny Vovonana Firaisankina ireo endrika tsy fanarahan-dalàna hitan’izy ireo miainga
amin’ny filoham-pirenena, toy ny fandikana ny andininy faha-39 amin’ny lalàmpanorenana dia ny fiantohan’ny Fanjakana ny tsy fiandanian’ny fitantanan-draharaham-panjakana amin’ny politika ; fanitsakitsahana ny andininy faha-49 amin’ny lalampanorenana izay milaza fa ny andraikitry ny Filoham-pirenena dia tsy azo ampiarahina amin’ny asan’ny vondron’antoko politika ; ny andininy faha-61 andalana voalohany ao amin’ny lalàna fehizoro laharana faha-2018-008 mifehy ny fifidianana dia voarara ny fanaovana fitokanana zavabita mandritra ny fotoan’ny fampielezan-kevitra; ny andininy faha-62 ao amin’ny Lalàna mifehy izay maneho fa tsy mahazo manao fampielezan-kevitra manohana kandida ny tompon’andraikimpanjakana ambony ; ny andininy faha-63 ao amin’io lalàna mifehy ny fifidianana izay milaza fa voarara ny fampiasana ny fananam-panjakana hanaovana fampielezan-kevitra hanohanana Kandida amin’ny Fifidianana,… Manitsakakitsaka tanteraka ny lalàmpanorenana sy ny lalàm-pifidianana ny mpitondra sy ny kandidam-panjakana, ka milaza sady hitory no manaitra ny vahoaka hijoro, ary mampahafantatra ny Fiombonambe iraisam-pirenena ity vovonana ity fa efa fihantsiana sy fanaovana tsinontsinona tanteraka ny vahoaka malagasy ny zava-mitranga. Manao fanahy iniana hitarika korontana tsy hahatanteraka ny Fifidianana ka hanapotehana ny demokrasia eto Madagasikara izao Fandikan-dalàna mibaribary ataon’ny mpitondra izao, hoy ny Firaisankina, izay nanameloka ny zava-misy. Mba hizoran’ny Fifidianana ao anatin’ny filaminana sy haneken’ny rehetra ny vokam-pifidianana, dia takian’io vovonana io ny : hampitsaharan’ny Mpitondra ireo tsy fanarahan-dalàna ataony ; ny handraisan’ny CENI sy ny HCC ny andraikiny ka hampiasany ireo fahefana eo am-pelatanany hampiharana ny sazy voalazan’ny lalàna amin’ireo izay nanao ny fandikan-dalàna sy ireo Kandida izay nahazo tombony tamin’ireo tsy fanarahan-dalàna ireo, ka hanafoana ny vato azon’ireo toy ny tao Fianarantsoa, Antsirabe,... « Ireo kandidam-panjakana tena mirehareha, ka aleo izy hanao fa izahay ihany koa efa mampiomana ny vahoaka manontolo », hoy i Marc Ravalomanana. Nambarany, fa tokony hampihatra ny fahefany ny HCC, misy zavatra ampanaovin’ny fitondrana azy anefa, misy zavatra hanakendany ny HCC eto dia tsy hanao izy, kanefa milaza tsy hanaiky lembenana amin’ny tsy fanarahan-dalàna, homena ny vahoaka izay tompom-pahefana ny fanapahan-kevitra. Efa tezitra ny vahoaka hoe : izao ve mbola hifidy an’ireo, mirarakopana ny fandikan-dalàna, fandrahonana,… Miantso ny vahoaka izay tompon’ny fahefana ho sahy hijoro sy ho vonona hiaro ny demokrasia sy ny Fanjakana tan-dalàna, hoy hatrany i Marc Ravalomanana. Dia andrasana indray izany ny tohiny !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.