Vovonana Firaisankina

« Fanapahan-kevitra politika be io, aoka ny CENI tsy ho voabaiko »


  • Alarobia 18 Septambra 2024

Nangataka hihaona tamin’ny CENI ny avy amin’ny fanoherana notarihin’ireo depiote avy amin’ny

Firaisankina sy ireo kandida ho mpanolontsaina rehetra eto Antananarivo eo anatrehan’ny raharaha fandavana an’i Marc Ravalomanana tsy ho kandida ben’ny tanàna eto Antananarivo. « Ambaranay fa kandida ara-dalàna tsara izy amin’ny firotsahana eto Antananarivo, ary nohamafisinay fa resaka politika, fanapahan-kevitra politika no matetika te hiditra amin’ny fahefana omen’ny lalàna an’ity andrim-panjakana ity ka niantsoanay ny tsy hampidirana izany », hoy ny Filoha mpiara-mitantana ny Firaisankina sady Filoha lefitra mpanohitra eny amin’ny Antenimierampirenena Siteny Randrianasoloniaiko. Ny fanapahan-kevitra toy ny tamin’ny fifidianana filoham-pirenena izay tsy nanilikilika kandida no ambaran’izy ireo fa tokony hotohizan’ny CENI zareo satria omen’ny lalàna fahefana ny fahaleovantena, ka izay indrindra no tokony hijoroany sy hamafisinay, hoy ny fanazavan’ny avy amin’ny fanoherana. Nanamafy izy ireo fa politika satria fantatry ny rehetra fa miezaka mihitsy ny avy amin’ny fanoherana mba hisian’ny fifidianana, mitandrina toy ny anakandriamaso, mandeha eny ambonin’ny atody mihitsy aza tsy hisian’ny korontana,… na dia betsaka aza ny zonay very tonga hatramin’ny fanakanana anay handeha hivavaka, hoy hatrany i Siteny Randrianasoloniaiko. Ny depioten’i Madagasikara, hoy izy, tsy afaka manao tatitra afatsy any amin’ny distrika nahavoafidy azy, ary mifamadika amin’io indray ny fifidianana ben’ny tanàna hoe : tsy havela hivavaka ao amin’ny kaominina misy azy fa alefa any amin’ny kaominina hafa no handefasana azy ka tena politika ilay izy. Nilaza moa izy ireo fa nanome toky fa misy dingana na « procédure » tsy maintsy harahina, ka miandry hatramin’ny anio hariva araka ny fotoana nomen’ny lalàna ny CENI hahafahany mandray fanapahan-kevitra. Anio hariva no tena hahazo valiny tanteraka momba ny firotsahan’i Marc Ravalomanana ho ben’ny tanànan’Antananarivo, raha ny fanazavana nentin’ny Firaisankina omaly. Tsara moa no mampahatsiahy fa nandefa taratasy fangaham-panazavana tamin’ny Foibem-pitondrana ny hetra ny CENI mikasika ny raharaha Ravalomanana, saingy ny Minisitry ny toekarena mihitsy no niditra an-tsehatra omaly nilaza fa nanao taratasy fanekena fanefana trosa ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Hahazo rariny sa tsy hamelana hatramin’ny farany ny Filoha teo aloha ? Andrasana izany ny tohiny !
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT