Vovonana Firaisankina

« Betsakany hosoka, hijoro hiaro ny safidim-bahoaka… »


  • Alarobia 05 Jona 2024

Tonga nivantana teny amin’ny Foiben’ny CENI teny Alarobia ireo lohandohan’ny mpisorona eo

anivon’ny Vovonana Firaisankina omaly, nahitana ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana, ny Minisitra teo aloha Paraina Auguste, ny Mpandrindra Nasionalin’ny HVM Atoa Rivo Rakotovao, ny Mpisolovavan’ny Vovonana, ireo kandida sasany. Niantso ny tena hisian’ny fahaleovantenan’ny CENI ao anatin’ny fikirakirana ny voka-pifidianana, ka tsy hanodinkodinana ny safidim-bahoaka izy ireo. Tanjona mantsy raha ny nambaran’ny Firaisankina ny hisian’ny filaminana aorian’ny fifidianana no tanjona. Notsikafonin’io vovonana io rahateo, fa maro ny kandida voa tamin’ny fanodinkodinana vato sy fanovana PV, ka tsy maintsy atsangana ny Vovonana miaro ny safidim-sahoaka misokatra amin’ny rehetra na mpanohitra na tsy miankina, raha ny nambaran’Atoa Paraina Auguste. Ity farany izay nanamarika fa tsy havela irery hanjaka tokana ao anatin’ny tsy fanarahan-dalàna ny fitondrana. Miandry ny fandraisan’ny HCC sazy hentitra eo anatrehan’ny fandikan-dalàna samihafa ihany koa ny Firaisankina. Nisy moa ireo kandida tonga nanao fampitahana ny fitanana an-tsoratra na « confrontation », toy ny avy amin’ny Boriborintany Voalohany notarihin’ny depiote Hanitra Razafimanantsoa, izay naneho fa atao izany mba hivoahan’ny tena marina. Naneho ihany koa ny kandidan’ny Firaisankina ao Amparafaravola, fa niova tanteraka ny voka-pifidianana tao anatin’ny fahatapahan-jiro ny zoma lasa teo, tamin’ny 10 ora alina hatramin’ny 3ora maraina. Niova ny tarehimarika, ary ny kandida nitarika dia ny Firaisankina nitsimbadika resy amin’ny elanelam-bato 172, raha ny nambarany. Betsaka, hoy izy, ny kosikosiko sy fanovana ny fitanana an-tsoratra na PV. « Tsy ekena ny fanodinkodinana safidim-bahoaka, ary tsy mila vaniny izahay raha mitaky fanaovana fampitahana ny PV na « confrontation » fa ny famoahana ny tena safidim-bahoaka », hoy ny mpisolovava ny Firaisankina Me Eloi Ratefimahefamijoro. Tsy teto an-dRenivohitra ihany, fa efa niaraha-naheno ny fanambarana tany Faratsiho izay efa nitsangana ny KMSB na Komity Miaro ny Safidim-bahoaka. Raikitra ihany koa tany Antanimalandy Mahajanga ny antso avo ny hisian’ny fitsarana tsy mitanila sy fanajana ny safidin’izy ireo. Vao misy zavatra mitongilana dia tsy hanaiky izahay vahoaka, aoka ny fifidianana hilamina, iny ny safidinay, leo tanteraka ny fitapitapitaka sy ny laingalainga izahay, hoy izy ireo. Misy tonga hatrany amin’ny fidinana toy ny tany Ambatofinandrahana,… Manomboka mihamafy noho izany ny fanoherana ny mety ho teti-dratsy samihafa hoenti-manatsimbadika voka-pifidianana.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT