Vovonana Diovy i Madagasikara

«Governemanta mafia no misy eto Madagasikara»


  • Talata 30 Jolay 2024

Efa napetraky ny vovonana politika Diovy i Madagasikara hatrany am-piandohana,

hoy ny isan’ny mpitarika izany vovonana izany, Guy Maxime Ralaintseheno, fa nalaina amboletra izao fitondrana izao. Hatrany am-piandohana izahay, hoy izy, no tsy mankato mihitsy izao fitondram-panjakana misy eto Madagasikara izao. Niainga tamina fanonganam-panjakana anaty andrim-panjakana ny toe-draharaha ny septambra 2023. Maro ny antsoantson’ny fanoherana avy eo mikasika ny hoe tsy feno ny fepetra ahafahantsika miroso amina fifidianana satria misy olana ny hitsara ny fifidianana, ny mpanomana ny fifidianana ary ny fomba rehetra natao nanomanana ilay fifidianana ny 16 novambra dia fantantsika hoe tsy nanara-dalàna. Eny fa na dia nisy aza kandida iray naratra tao anatin’ny vanim-potoanan’ny mialohan’ny 9 novambra, izay fiodinana voalohany, dia tsy nohajaina izany, araka ny lalàna. Fanjakàna tsy ara-dalàna, nalaina amboletra izany no misy izao. Ny olan’ny fanitsakitsahana lalàna amin’ny fananan’i Rajoelina zom-pirenena frantsay dia mbola adihevitra goavana anaporofoinay hatrany ny maha tsy ara-dalàna ny fijoroan’izao fitondrana izao. Matoa taraiky ny fanendrena ireo minisitra handrafitra governemanta dia satria governemanta mafia na «mafieux» no misy eto Madagasikara. Andriamatoa Ntsay Christian dia tsy nahomby tao anatin’ny 5 taona nefa notendrena amboletra ho atao praiminisitra lehiben’ny governemanta. 1 volana aty aoriana tsy mahavita manangana governemanta iray izay hoe hihazakazaka amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara nefa miha taraiky ny fanendrena ny mpikamban’ny governemanta. Tsy lojika izany. Misy antony ara-politika izany. Antony anatiny sy ivelan’i Madagasikara io mampihitsoka antsika io. Maro ny fanambaran’ireo mpiara-miombon’antoka amin’i Madagasikara taorian’ny 16 novambra. Isan’ny nanao izany ny SADC, governemanta frantsay, ny vondrona eoropeanina, ny firenena mikambana. Niteny avokoa ny amin’ny hoe tsy tomombana ny fifidianana teto Madagasikara ary tokony hidinika isika hamahana ny fototr’olana politika eto Madagasikara. Minia tsy te haheno na tsy te hahafantatra izany adihevitra politika izany ny fitondrana ankehitriny. Fantantsika fa manosika any amin’ny fifandonana ara-politika izany. Raha jerena ny tantara dia ny governemantan’andriamatoa Marc Ravalomanana, lany tamin’ny fifidianana 2007, 2 taona taorian’izay dia nisy ny fanonganam-panjakana nataon’andriamatoa Rajoelina. Nanao sesintany ny tenany andriamatoa Marc Ravalomanana. Toy izany koa ny filoha Didier Ratsiraka ny taona 2002. Mbola hisy hanao sesintany ny tenany indray ve aorian’izao krizy politika iainan’i Madagasikara izao? Mbola mendrika an’izany ve ny mpanao politika malagasy sy ny vahoaka malagasy miaina anatin’izao fahasarotana sy fahantrana lalina resahintsika izao? Tsy misy afa-tsy ny fihainoana ny olompirenena amin’ny alalan’ny antsoina hoe vovonan’ny olompirenena na «Sommet des citoyens» hoe inona no lalàmpanorenana sahaza ny malagasy amin’ny 2024 sy ny aorian’ny 2024? Inona no lalàm-pifidianana mety? Ahoana no hahafahan’ny olompirenena misitraka ny harem-pireneny? Mila henoina anaty laobary an-dasy ny olompirenena ary ny famoahana tsoa-kevitra anatin’izany no hahafahantsika miroso any amin’ny tena fampandrosoana, hoy hatrany ny Diovy i Madagasikara.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT