Mangataka ny hanemorana ny fifidianana Ben’ny tanàna
Araka ny fanazavana nentin’ny filohan’ny vovonana Dinike, Atoa Serge Zafimahova, dia mangataka ny hanemorana ny
fifidianana ben’ny tanàna izay hatao ny volana novambra ho avy izao, izy ireo. Antony roa no voalazany. Voalohany, eo ny antony ara-bola natokana amin’izany, izay tsy mbola hita taratra loatra ankehitriny, nefa ny fotoana hanaovana io fifidianana io efa antomotra. Nisy kandidà iray nilaza fa tokony handrotsaka vola tany amin’ny “trésor” ny mpiara-dia taminy, fa ny tompon’andraikitra tsy mbola vonona, raha ny fanazavana. Faharoa, eo ny mikasika ny lisitra, izay efa nambaran’ny filohampirenena fa tokony hasiana fanamboarana sy fanatsarana, mba hialana amin’ny olana madinika izay mety hiseho mandritry ny fifidianana. Ireo antony ireo no voalaza fa nahatonga ny vovonana Dinike nangataka ny hanemorana io fifidianana ben’ny tanàna io ary tsy misy tokony hahamenatra izany na dia efa nisy aza ny fankatoavan’ny governemanta ny datin’ny fifidianana amin’ny 27 novambra ho avy izao. Raha tomombana ara-dalàna ireo antony roa ireo, dia izay vao aroso ny fifidianana ben’ny tanàna,
hoy izy.
Sitraka r.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.