Resy lahatra ny tanora anaty fikambanana maro mivondrona anaty vovonana «Plateforme des Associations des Jeunes et Intellectuels de Madagascar» (P.A.J.I.M), fa ny tetikasan’ny kandida Robinson Jean Louis no hampandroso an’i Madagasikara, indrindra fa ny tanora Malagasy sady hiaro ny hasin’ny Oniversite. Araka izany dia hampandany ity farany sady manentana ny tanora tsy ankanavaka ny PAJIM hifidy ny laharana 33 amin’ny fihodinana faharoa. Mahatsapa ireto farany fa izy no manana ny fanafody manasitrana ny aretin’ny firenena toy ny fisamatsamahan’ny Malagasy, ny tsy fandriampahalemana, ny fidinan’ny fahefa-mividy ho ambany dia ambany, ny tsy fisiana sy fahaverezan’asa. Etsy an-daniny anefa dia misonanika ny mpitondra izay mitombo harena isan’andro, hoy hatrany izy.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.