Politique

Vonomoka tany Ikongo Nivoaka ny fanamelohana iraisam-pirenena


  • Zoma 02 Septambra 2022

Nivoaka tao anatin’ny fahanginany ny sehatra iraisam-pirenena manoloana ilay toe-draharaha tany Ikongo. Naneho ny ahiahiany goavana ny Vondrona Eoropeanina tamin’ny alalan’ny Mpitondra

 teniny misahana ny raharahamm-bahiny sy ny politikam-pilaminana eo anivon’ny Sampan-draharaha Eoropeanina misahana ny asa ivelany. Manahy mafy ny Vondrona Eoropeanina noho ny fifandonana tamin’ny zandary sy ny vahoaka ny 29 aogositra teo. « Manameloka tanteraka ny fampiasan-kery tafahoatra nataon’ny mpitandro filaminana izay nitarika tany amin’ny fahafatesan’olona maherin’ny roapolo, ary miantso fanokafana fanadihadiana mahaleotena ahafahana mamoaka ny marina momba ny zava-nitranga, ary hanolorana eo anivon’ny fitsarana ireo olona rehetra nanitsakitsaka ny lalàna ». Etsy ankilany, nampahatsiahy ny finiavany amin’ny ady amin’ny herisetra atao amin’ny olona varira ny Vondrona Eoropeanina. Ny rehetra dia tokony hanao izay fomba rehetra hiarovana ireeny olona ireny, ary hanampy azy amin’ny ady hisian’ny fiainana tsy misy fanavakavahana, tsy misy resa-bolokoditra sy herisetra, hoy ny Vondrona Eoropeanina. Na manana ny fiandrianany aza i Madagasikara, azo antoka ny hahatongavan’ny raharaha eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena matoa mitaky ny hivoahan’ny marina izy ireo izay sarotiny mafy amin’ny resaka zon’olombelona. Isan’ny mamaritra ny fanapahan-kevitra momba ny fiaraha-miasa sy ny famatsiam-bola ho an’i Madagasikara ireny. Tsara ny manamarika, fa niantso fanokafana fanadihadiana parlemantera sy handefa ny raharaha amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny Depiote voafidy tany Ikongo sady Filoha lefitry ny antenimieram-pirenena Atoa Brunelle Razafitsiandrafa. Andrasana hatrany ny fivoarany.
Toky R 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT