Vonison Andrianjato

«Andao hampiana aloha ilay olona!»


  • Alarobia 19 Novambra 2025

Vao latsaky ny 1 volana ny

governemanta izao no tafatsangana, hoy ny mpahaiolona sy mpamakafaka politika, Vonison Andrianjato. Latsaky ny 2 volana ny filohan’ny fanavaozana, hoy izy, ka vao eo am-pametrahana izany izao ny fitondràm-panjakàna. Dodona ny vahoaka satria miha lalim-paka ny fahantrana saingy firenena nefa no entina fa tsy hoe raharahan-tokantrano. Rariny raha vitsy teny ny filohan’ny fanavaozana, teny diso no nampiongana an’i Rajoelina. Rariny izy raha vitsivitsy teny satria teny diso tsy mba kabary, hoy ny fomba fiteny. Niongana foana ny filoham-pirenena nanao teny diso na nanao «dérive verbale». Ny tsy maintsy hanampiana ny filohan’ny fanavaozana izao dia ny fitondràna traikefa hampihazakazaka kely ny raharaha satria misy raharaha maro tsy maintsy apetraka eto amin’ny fiainan’ny firenena. Mbola andriamatoa Ravatomanga no mifehy ny entana mivoaka sy miditra eto Madagasikara, amin’ny alalan’ny orinasany. Izy no manao ny «sécurisation aéroportuaire» na fanaraha-maso ny seranana amina seranana lehibe na «grand port et aeroport» miisa 9 eto Madagasikara. Tsy nitsahatra niteny izahay tao anatin’izay 7 taona farany izay hoe tsy mety izany. Resy ny fanavaozana raha mbola andeferana izany. Tsy maintsy atao maika koa izany ny mametraka ny fototr’io repoblika io. Fara-faha ratsiny, tendrena faran’izay haingana ny lehiben’ny faritra. Lehiben’ny faritra fa tsy governora no ao anaty lalàmpanorenana, izay ilay hoy aho hoe teny diso naha soloaka tany aloha teo. Tendreo aloha ireo mba, fara faha ratsiny, hahafahana mifehy ireo faritra miisa 23 eto Madagasikara. Sarotra ny miteny hoe diso fanantenana. Ny hevitra tsy azo tsy amin’ny olombelona. Maninona isika no hiraviravy tanana sahady? 7 taona, 16 taona isika niafy teo. Tsy nisy niteny intsony teto Madagasikara, raha tsy nanomboka izahay hoe tsy mety izao andriamatoa Rajoelina. Nenjehina natao hazalambo izahay tamin’izany. Tsy nisy niteny intsony ny mpanao politika. Izao isika efa mahazo miteny dia hilaza ho diso fanantenana sahady ve? Tsy fakàna toerana intsony izao no tanjona fa hoe ahoana no ialàn’i Madagasikara anatin’izao fahasahiranana lalim-paka mahazo azy izao? Raha izao no mbola itotonan’ny famatsiana avy any ivelany dia vao mainka ho difotry ny fahantrana ny vahoaka malagasy. Ny olona tsy hanome vola anao raha tsy avadika ho trosa. Na ho ataony fanampiana na «don remboursable» aza io, ohatra, any amin’ny vondrona eoropeanina dia tsy maintsy ho isainy. Tsy maintsy ho tafiditra anaty «balance de payement» na fomba famerenam-bola no dikan’izay. Efa any ho any amin’ny 7 miliara Dolara izao ny trosan’i Madagasikara. Mampitotongana hatrany izany raha mbola miampy. 1 Euro = 6 Franc Français = 6000 Iraimbilanja, niala teo Ratsiraka. 13.500 Iraimbilanja indray io niala teo ny filoha Ravalomanana. Tonga ny fitondrana manaraka dia lasa 15.000, 17.500 ary izao izany izy efa lasa 22.500 Iraimbilanja na 4500 Ariary. Raha mbola tsy mitandrina isika dia ho lasa 6000 na 6200 Ariary io, sanatrian’izany. Tsy misy mazia ny fitantanana fiainam-pirenena. Azo atao ny manintsy ny fitantanana satria misy vola tsy ampiasaina na tsy voaraky ny fanjakàna maso ny fampiasàna azy eto Madagasikara. 3 miliara Dolara amin’ny 23 miliara Dolara ihany no voaraky ny fanjakàna maso. Manindry io fanjakàna io izany ilay 20 miliara Dolara. Mbola tsy nitranga hatramin’izay izany. 165.000 miliara ny harinkarena na PIB teto Madagasikara tamin’ny andron’Andriamatoa Hery Rajaonarimampianina. 55.000 miliara no vitany. Ity izany izao amin’izay 23 miliara Dolara izay dia any amin’ny 500.000 miliara no vola miodina eto Madagasikara. 77.000 miliara na 12% no vitany. Ahoana moa no haha velona ny vahoaka malagasy amin’izany? Tsy maintsy miezaka hanavotra izao toe-draharaha izao ny zanaky ny firenena! Andao hampiana aloha ilay olona dia ho hita eo na manaraka izy na tsia! Izahay aloha izao dia efa mandray anjara, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Talata 21 Aprily 2026

«Fotoana hihainoana ny rehetra izao!»

  • ANTOKO FANOROLAHY-
  • Talata 21 Aprily 2026

FANAVAOZANA TENA IZY Ataovy aloha ny fifidianana

  • MADAGASIKARA (1991 – 2026)
  • Talata 21 Aprily 2026

Misy tsy mety ao matoa mikorontana isaky ny mihetsika

  • Hary Razafindrazaka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Ireo MAPAR anaty fitondrana

  • POLITIKA sy RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila mailo ihany ny tanora

  • RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Tsy nanao amboletra naka Fitondrana

Hijery ny tohiny
FTT