Politique

Voninahitsy sy Besetroka Niravona ny disadisa


  • Alakamisy 10 Novambra 2011

Niravona ny disadisa nisy teo amin’ny mpikambana eo anivon’ny tetezamita mirahalahy Voninahitsy Jean Eugène sy Razafindrakoto Fidy Mamy Helson na i Besetroka rehefa nakotrokotroka tanaty gazety sy haino aman-jery samihafa nandritra ny herinandro vitsivitsy izay.

 Tsy fitovian-kevitra no nahatonga ny disadisa teo aminay, hoy ny CT Besetroka avy any Alaotra Mangoro omaly teny Tsimbazaza raha nitafa fohy tamin’ny mpanao gazety izy. Fototry ny olana ny tsy fiantsoana anay parlemantera avy any amin’iny Faritra iny raha nisy fitsidihana nataon’ny minisitry ny asa vaventy nanara-maso ny asa atao ao amin’ny RN 44 fa mpikambana Les AS no nameno isa tany. Izahay CT sy CST ireo anefa no manana andraikitra amin’ny fanaraha-maso ny asan’ny governemanta. Ny hisavorovoroan-kilantoana anefa, hoy izy, ka efa samy niaiky ny fahadisoanay avy izahay mirahalahy rehefa nifampiresaka. Samy nentin’ny hambom-po diso toerana izahay nefa amin’izao fotoana izao no tena ilana ny fitoniana.

Ho lesona ratsy ho an’ny sasany raha ny ao anatin’ny lakan’ny tetezamita no tsy hahay hifanaraka. Mbola notsindrian’ny CT Besetroka moa fa tena nahatanteraka ny fampanantenana nataon’ny filohan’ny tetezamita ny minisitra Razafimbelo Alain, ary tsy mba niresaka mikasika ity tompon’andraikitra ity ny tenany tamin’ireny fifanasana vangy tamin’ny haino aman-jery ireny. Miroso ara-dalàna ny asa, hoy izy, ary efa nampanantena ny minisitra fa hotohizana izany amin’ny manaraka ary hoentiny manokana hanara-maso sy hijery ny zava-misy akaiky ireo CST sy CT avy amin’iny Faritr’Alaotra Mangoro iny. Inona no hitranga raha sanatria ka tsy ho eo intsony na hafindra an-toeran-kafa ny mpampanantena ? Dia mionona fa izay mahasoa ataon’Andriamanitra ê !

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT