Politique

Voninahitsy Jean Eugène Niverina nitaingina soavaly be tongotra…


  • Talata 10 Aprily 2018

Miverina amin’ny naloany ! Izay no hanasokajian’ny maro ny fihetsiky ny mpanao politika Voninahitsy Jean Eugène ankehitriny. Niverina tanteraka ao am-balan’ny fitondrana mantsy ny tenany, izay hita tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina nandritra ny hetsika “Rodoben’ny fisandratana” nataon’ny HVM tamin’ny sabotsy teo.

 Hita ao anatin’ny horonantsary midokadoka ny filoha sy mankasitraka fatratra fa tsy arakaraka ny vava be nataony tany am-boalohany. Raha hiverenana ny tantara, anisan’ireo nirotsaka hofidiana filoha tamin’ny taona 2013 ny tenany, ary nanohana an-dRajaonarimampianina tamin’ny fihodinana faharoa. Fatra-piaro ny fanjakana HVM, saingy nivadika rehefa nafana ny raharaha sy ny hetsi-panoherana saika nampikoa ny filoha. Anisan’ireny ny nandanian’ny solombavambahoaka miisa 121 tamin’ny 152 ny fitsipaham-pitokisana azy na ny “motion de déchéance” ny 26 mey 2015 noho ny tsy fanajana lalàmpanorenana ny 26 mey 2015.  Ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC sisa nanavotra azy tamin’izay. Fotoana vitsy taorian’io, ny 29 mey 2015 ny fanambarana nataony fa nametra-pialana tsy ho mpanolotsaina an’i Hery Rajaonarimampianina intsony  izy, ary nilaza fa manohana ny fanonganan’ny Antenimiera ny filoha. Am-bava no nanendrena ahy, dia am-bava ny fametraham-pialako, hoy izy teny amin’ny Hotely Colbert Antaninarenina. “Sarotra atoro i Hery Rajaonarimampianina ary efa hirodana io fanjakana io”, hoy ny tenany toa nanambany ny filoha ankehitriny. Tsy vitan’izay fa mbola nisy ny fanivahivana tamin’ny filazana fa tsy mety aminy ny miaraka amin’ny « soavaly be tongotra ». Miverina mitaingana soavaly be tongotra indray izany ny tenany ka zary adino toy ny ririnin-dasa tsy tsaroana ny vava be vahiny ? Politika tokoa angamba io ka malalaka amin’izay rehetra foto-kevitra ijoroany ny rehetra. Ny tantara anefa tsy fanadino e !

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT