Taorian’ny fipoirany tampoka ny 20 desambra 2017 izay nilazany fa mpanavakavaka ka tsy mendrika ny ho filoha intsony ny filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana, dia nangingina indray ny filohan’ny antoko politika RPSD vaovao, Voninahitsy Jean Eugene.
Anisan’ny tsikera nahazo ity mpanao politika ity taorian’io fanambarany io ny fampatsiahivan’ny mpanara-baovao ny tantarany toy ilay resaka seky tsy misy anto-bola nidirany am-ponja tamin’ny fotoan’androny. Teo ihany koa ny fanindraindrana tena ho Mandela gasy kanefa na dia ny hitady fampihavanam-pirenena aza tsy hita soritra teny amin’ny teny navoakan’ny vavany. Nanaitra ny nahita azy nanatrika ny fivorian’ny mpanohana ny antoko Hery Vaovaon’i Madagasikara na ny HVM tetsy amin’ny Carlton Anosy ny alin’ny alakamisy teo. Omaly moa dia tazana nihaodihaody teny amin’ny Antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza nandritry ny lanonam-panokafana ny fivoriana tsy ara-potoana manarak’ireo parlemantera indray ity mpanao politika ity. Taorian’ny fivoriana ve izany dia nanomboka sahady ny fanatontosana ny iraka nampanaovina sa ahoana ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.