Voninahitsy Jean Eugčne

> Mandranitra resa-piaviana


  • Zoma 03 Janoary 2014

Niova tamin’ny hevitra nolazainy nialoha kelin’ny fampielezankevitra fifidianana ho filoham-pirenena fihodinana voalohany i Voninahitsy Jean Eugčne filohan’ny vondrona politika Les AS, omaly, teny amin’ny Colbert Antaninarenina.

Nambarany tamin’izay ny tokony hisian’ny fitoniana eto amintsika ka tsy laviny ny hodian’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana an-tanindrazana. Novoizin-dry zareo nandritra ny fampielezan-kevitra fihodinana faharoa tany anindran-tany anefa fa ny fifidianana ny kandidà Robinson Jean Louis dia midika famerenana an-dRavalomanana eo amin’ny fitondrana. Milaza ho gaga i Voninahitsy raha nitarika tamin’ny fihodinana voalohany i Jean Louis Robinson nefa tsy mba nisy niteniteny teto fa rehefa mitarika amin’ny fihodinana faharoa i Hery Rajaonarimampianina dia lazaina fa misy mangala-bato. “Ny any amin’ny Faritany ve izany no tena mpangalatra ?” , hoy i Voninahitsy. Ambaranay Les AS, hoy ity filohany ity, fa ny olona tany amin’ny Faritany no nampandany an-dRajaonarimampianina. Azon’ny tany amin’ny Faritany natao ny tsy nifidy, hoy izy, nefa dia niroso ihany na dia Merina roa aza no tafita tamin’ny fihodinana faharoa. Mikasika ny fifidianana natrehana teo dia nahita tsy fahatomombanana maro izahay matoa anisan’ny nanatitra fitarainana teny amin’ny CES nefa tsy atao hampisavorovoroana izany fa miandry ny fanapahan-kevitry ny mpitsara izahay ary manaiky an’io CES io. Izahay, hoy i Voninahitsy tsy hanao hoe tsy nisy fangalaram-bato fa tsy nanao izany kosa i Hery Rajaonarimampianina. Tsy hanasoketa an’iza n’iza izahay fa samy nanao izay handreseny ny rehetra ka samy tokony hanaraka ny fepetra takiana amin’ny fanaovana fitoriana.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT