Nivoaka tamin’ny fahanginany ny filoha nasionalin’ny Vondron’Olon-Tsotra (VOT) manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena ankehitriny.
Nambaran-dRtoa Sarah Zoe fa tsy hita taratra eto amin’ny firenena intsony ny demokrasia fa ny jadona no tena manjaka. Tokony hisy hatrany, hoy izy ny fifampiresahana mialoha ny hanatanterahan’ny fanjakana zavatra fa tsy rehefa tsy mitovy ny hevitra dia avela amin’izao ny an-kilany. Ny fanjakana no tokony ho modely hanatanteraka izany, hoy izy dia manaraka ho azy ny hafa. Mikasika ny fisian’ny antoko mpanohitra indray dia nomarihiny fa tena ilaina izany mba hisian’ny arofanina eto amin’ny firenena. Tombony ho an’ny fanjakana aza, hoy Rtoa Sarah Zoe hahafantaran’izy ireo ny tsy mety hataony ka hanitsiany ny diany. Miantso ny mba hampiharana ny tena demokrasia marina eto amin’ny firenena ity filoha nasionalin’ny VOT ity.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.