Misokatra ho an’ny olon-tsotra rehetra manomboka anio zoma 30 aprily amin’ny 9 ora sy sasany maraina ny tranompokonolona Analakely mba handraisana torohevitra manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena. Ny vondron’olon-tsotra na ny VOT tarihin’ny filohany Rtoa Sarah Zoe no hitarika izany hanamafisana ny tolom-bahoaka efa misy eto amintsika.
Manomboka ny alatsinainy ka hatramin’ny zoma no hisian’io fihaonan’ny VOT amin’ny olon-tsotra rehetra io ka ny tanjona dia ny mba hahafahan’ny rehetra mandray ny toromarika tokony ho fantany, raha eo ihany koa ny handravonana ny fifanakalozan-kevitra eo amin’ny tsirairay hahafahana miady amin’izao fanjakana mpanao jadona sy tsy refesi-mandidy izao. Miantso ny olon-tsotra rehetra mba hifanohana aminy, araka izany, ny VOT ho fanavotana ity firenena malalantsika ity ka hahatongavan’ny rehetra amin’ilay tanjona tiana hokendrena.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.