Vondron’ny kandida

« Miantso ny mpitandro filaminana tsy handray baiko tsy ara-dalàna »


  • Alatsinainy 13 Novambra 2023

Nanameloka ny fandratrana ny vahoaka nanao hetsika am-pilaminana omaly teny Mahamasina ny Firaisankinan’ny kandida, araka ny fanambarany.

Fandratrana tsy am-piheverana no niseho, lazaina foana fa tsy ara-dalàna ny fanehoan-kevitra izay ataonay, ka tianay no manindry sy miresaka amin’ny Prefen’Antananarivo, ka tsy haiko ianao na mamaky lalàmpanorenana na tsia fa mazava ny voalaza ao, fa malalaka ny fanehoan-kevitra am-pilaminana, ka miantso anao hamaky lalàmpanorenana izany», hoy ny izy ireo tamin’ny alalan’ny Kandida Hajo Andrianainarivelo. « Atsaharo ny fampiasan-kery, maro ny naratra, nibaribary fa nampiasana hery mivantana ny olona izay tsy nanao afatsy fanehoan-kevitra madio. Nanatrika teo izahay, ary mampalahelo ny tahaka ireny. Manao antso avo aminareo mpitandro filaminana fa ampy izay ny fandraisana baiko tsy ara-dalàna indrindra avy amin’ny lehibenareo tsy ara-dalàna », hoy hatrany ireo kandida. Nilaza ny Firaisankinan’ny kandida fa ny mpikamban’ny HCC aza efa misy mijoro fa tsy ara-dalàna ny nanendrena ireo lehibe dia ny Jeneraly Richard Ravalomanana sy ny Praiminisitra Ntsay Christian ho eo amin’ny fitantanana ny firenena. Niangavy ny mpitandro filaminana noho izany izy ireo mba hiverina amin’ny tany tan-dalàna ary hanatsahatra ny fandratrana ny mpiray tanindrazana amin’ny fifidianana bontolo izay tsy hitondra filaminana. Voahitsakitsaka ny zo maha solombavambahoaka, hoy izy ireo, ka nanameloka ny fisamborana ny depiote Fetra Ralambozafimbololona. Aoka hatsahatra mason’andro anio ny fampiasan-kery amin’ny vahoaka, ary mirary fahasalamana ho an’ireo naratra, hoy izy ireo. Nanamafy fa tsy maintsy tohizana ny tolona satria tolona ho an’ny tanindrazana sy firenena, samy mahatsapa manerana an’i Madagasikara fa tafiditra anaty krizy sy tsy fanarahan-dalàna.

Nankahery ireo Raiamandreny tarihin’ny Filohan’ny Antenimierampirenena amin’ny ezaka fikaroham-bahaolana ihany koa ny Firaisankinan’ny kandida izay nanamafy fa mitohy ny tolona. Anio hariva no fantatra fa hanao fampitam-baovao lehibe ireo Raiamandreny, nikarakara ny fihaonana. Ny nohamafisin'ny Filohan'ny antenimierampirenena omaly dia ny tsy fanekena ny herisetra atao amin'ny vahoaka .
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT