Politique

Vondron’ny firaisamonim-pirenena Avoahy ny pitsopitsony ara-bola sy ny datim-pifidianana


  • Alarobia 24 Mey 2023

Nanao bemidina teny amin’ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana na ny CENI sy teny amin’ny

Antenimierampirenena ireo Fivondronan’ny Firaisamonim-pirenena nahatratra 35 isa omaly 23 may 2023 nanatitra haitaky na “plaidoyer” mikasika ny fifididianana. Tetsy amin’ny CENI, navoitran’izy ireo ny tokony hisian’ny mangarahara amin’ny tetibola hikarakarana fifidianana. Tafiditra ao anatin’io ny fitakiana ny hamoahan’ny CENI ampahibemaso ny andinindininy sy antsipiriany amin’reo fandaniana miandry azy. Angatahana ihany koa hatao mazava ny tetibola faran’ny ambany azo ekena hanomanana sy hiatrehana fifidianana matotra. Amin’izy ireo, vaindohan-draharaha ny fifidianana, ka tsy ekena ny Fanjakana milaza tsy manam-bola hoenti-mikarakara izany. Mitaky ny famoahana ny daty raikitra hanatanterahana ny fifidianana eo anivon’ny governemanta sy ny datin’ny fifidianana ben’ny tanàna sy ny mpanolo-tsaina izay tokony ho tanterahana amin’ity taona ity ihany koa izy ireo. Nanipika fa mila manamafy ny fitakian’ny besinimaro amin’ny famoahana ny datin’ireo fifidianana rehetra ny CENI. Tsy manaiky ny hisian’ny tetezamita, ary tokony hisy filoham-pirenena voafidy amin’ny janoary 2024 satria fanitsakitsahana ny lalàmpanorenana ny mifanohitra amin’izany. Momba ny lalàm-pifidianana kosa, nanipika ireo firaisamonim-pirenena fa amin’ny maha-rafitra voalohany mampiasa io lalàna io dia manana adidy ny CENI handroso soson-kevitra fanatsarana mba hisian’ny fifidianana marina sy madio. Teny anivon’ny Antenimieram-pirenena kosa, nametraka soson-kevitra ho fanatsarana ny lalàna mifehy ny fifidianana izy ireo, hetsika izay notarihin’ny fivondronan’ny firaisamonim-pirenena ROHY. Nisy ny fifampiresahana niarahana tamin’ny filohan’ny Antenimerampirenena sy ny solombavambahoaka ary noraisin’izy ireo tamin’ny izany sy ny solombavambahoaka mpampakatenin’ny vaomiera mahakasika ny lalàna ny soson-kevitra fanatsarana ny lalàm-pifdianana. Nangataka mba hantsoina handrafitra ny asam-baomiera, mandritra ny fandinihana ny lalàna mifehy ny fifidianana ireo firaisamonim-pirenena.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT