Politique

Vondron’ny fikambanan’olon-tsotra Tsy ekena intsony ny korontana eto amin’ny firenena


  • Zoma 20 Aprily 2018

Hatahoran’ny vondrona mpomba ny fitondrana HVM hivadika korontana eto amin’ny firenena indray ny fikasan’ireo depiote 11 eto Iarivo hotronin’ireo namany avy any amin’ny Faritra hafa mivondrona ao amin’ny solombavambahoaka mpanohitra eny amin’ny Antenimieram-pirenena Tsimbazaza,

hanao tatitra eny amin’ny Parvis ny Lapan’ny tanàna etsy Analakely rahampitso sabotsy 21 aprily 2018 ka dia mamoaka fanambarana avokoa ireo sokajin’olona mpomba an’ity fitondrana ity hoentina hanoherana an’io hetsika io. Iray amin’ireny ny milaza azy fa vondron’ny fikambanan’olon-tsotra tarihan’ireo mpitari-tolona efa kalaza isany : Rakotondramanana Tsiry Nindrainy sy Ramamonjisoa Fulgence ary Andrianirina Justin, izay namory olona tetsy amin’ny Live Hotel tetsy Andavamamba omaly alakamisy 19 aprily ka nilaza fa : “ tsy ekena intsony ny fitarihana korontana eto amin’ity firenena ity tahaka izay kasain’ireo depiote Tim sy Mapar manao sarintsarim-piarahana hitarika olona eny amin’ny kianjan’ny 13 mey ny sabotsy 21 aprily izao, hoy izy. Maninona no tsy any amin’ny boriborintany misy azy ireto depiote ireto no manao izany tatitra izany, hoy ny fanamarihan’ity vondron’olon-tsotra milaza tsy manao politika ity ary maninona tsy nanao an’izany hatrizay ?”. Nandefasan-dry zareo hafatra manokana ihany koa ny lazain’izy ireo fa tanora miisa 80 avy any amin’ny Faritra nafarana manokana ho tonga eto Antananarivo manao hoe : “avelao Antananarivo hilamina fa miverena any aminareo  mamboly an’izany korontana izany”. Ireo fatsora sy mpandokandoka dia mivelona amin’ny halemen’ireo izay mihaino azy ireo, hoy ity vondron’ny fikambanan’olon-tsotra ity.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT