Politique

Vondrona RDR Mitaky ny hanovana tanteraka ny andrim-panjakana


  • Alatsinainy 03 Oktobra 2011

Samy nandika araka izay maha diavolana ny sainy momba ny fandraisam-pitenenan’i Andry Rajoelina nandritra ny fivoriamben’ny Firenena Mikambana ireo vondrona politika samihafa.

 Ho an’ny filohan’ny FAT sy ny ankamaroan’ny mpomba azy dia efa midika fankatoavana ireny. Na dia manohana ny FAT aza anefa ny vondrona RDR (Rassemblement des Démocrates - Républicains), dia nandiso izay fomba fijery izay. Nambaran’i Paul Mpody, filohany fa fankatoavana ilay tondrozotra noho ny fahavitan’ny sonia iny fa tsy fankatoavana ny FAT amin’ny endriny amin’izao velively. “Raha eken’ny firaisambe iraisam-pirenena izao fanjakana izao, nahoana no mbola nitady vahaolana nivezivezena hatrany ivelany sy namolavolana tondrozotra ?”. Aminy dia ny fampiharana tsy misy tomika ilay tondrozotra ihany no ahazoana io fankatoavana io. Mitaky ny fanovana tanteraka ireo andrim-panjakana koa ny RDR ankoatra izay ka manana anjara toerana mitovy anatin’izy ireny ny vondrona nanao sonia rehetra. Momba ny fanendrena ny praiminisitra indray dia ny ankolafy Ravalomanana na Zafy Albert na Monina – UAMAD no tokony hanolotra ny anarana satria izy ireo no mahafeno ny fepetra araka ny voalazan’ilay tondrozotra. Mazava ny nambaran’i Paul Mpody fa samy mpiray petsapetsa mivantana na ankolaka amin’ny filohan’ny FAT avokoa ny G10, eny fa na ny RDR aza ka tsy mety raha avy amin’izy ireo ny lehiben’ny governemanta. Farany dia tokony hiandry ny famelan-keloka vao miverina an-tanindrazana ny filoha Marc Ravalomanana, araka ny nambarany hatrany.

 

Yves 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT