Politique

Vondrona politika hafa miray “Efa voatohintohina ny fiandrianam-pirenena”


  • Talata 25 Oktobra 2022

Manoloana ny toe-draharaha misy izay miteraka fahantrana lalina ho an’ny vahoaka ka mahatonga ny firenena ho latsaka anaty lavaka mangitsokitsoka satria efa voatohintohina ny fiandrianam-pirenena manoloana ny fifandraisana

ara-diplaomatika manerana izao tontolo izao dia nanao fanambarana omaly ny Vondrona politika hafa miray na VPHM fa nikaroka ny fomba rehetra hanome tanana ny fitondram-panjakana araka izay hitany fa vahaolana amin’izao krizy lalana mianjady amin’ny firenena izao saingy tsy nahazo fihaonana na dia nisisika aza mba hifampidinika mahakasika ny fiainam-pirenena amin’ny mpitondra izy ireo. Hita miharihary, hoy izy ireo, ankehitriny ny fitavozavozana sy tsy fandraisana andraikitra amin’ireo laharam-pahamehana hanavotana ny fahantran’ny vahoaka sy ny tsy fampandrosoana ny firenena fa toa lasa kobaka am-bava fotsiny hahazoana ny fahamarinan-toerana eo anatrehan’izao tontolo izao toy ny fireharehana fa nahavita nanangana indostria maro mba hahazoana amboara sy dokadoka ary vao tsy ela akory ny fivadibadihan-kevitra mahakasika ny raharaha Rosia sy Okrainina ary mitady fanamarinana etsy sy eroa mba hiavaka ahazoana famatsiam-bola amin’ireo mpiara-miombon’antoka maneran-tany. Eto an-toerana anefa dia mandry an-driran’antsy ny vahoaka amin’ny tsy fandriampahalemana satria faty olona mikararana sy fandrobana saiky isan’andro. Mitombo ary miitatra amin’ny faritra maro ny kere. Tsy mahavita mitsabo tena intsony ny maro amin’ny vahoaka. Midina ny fari-pahaizan’ny mpianatra ka mitotongana ny tahan’ny ray aman-dreny mandefa ny zanany mianatra noho ny tsy fananana enti-manana. Mananotanona ny fahapotehan’ny tontolo iainana. Mitombo ny tsy fananan’asa sy fahapotehana orinasa madinika sy salantsalany vokatry ny hamafin’ny delestazy sy tsy fahapian-drano. Tantely afa-drakotra ny harem-pirenena sy ny maro hafa. Miantso ny herivelona rehetra tsy an-kanavaka loko hijery ny tokony hatao maika aloha fa ny fikaonandoham-pirenena ho atao foana, hoy hatrany ny VPHM.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT