Vondrona mpanelanelana GNMR

«Aoka hanaiky hifanantona, tsy misy fandrosoana anaty korontana »


  • Alarobia 20 Desambra 2023

Nanamafy ny vondrona mpanelanelana GNM (Groupe National de Médiation)

fa tsy misy firenena afaka ny handroso ao anatin’ny korontana, fa ny filaminana ihany no miantoka ny fihatsaran’ny fiainan’ny vahoaka Malagasy, ka izay no tokony himasoan’ny tompon’andraikitra rehetra. Miangavy ny rehetra mba hanao lohalaharana ny tombotsoan’ny besinimaro, mba hanaiky hifanatona sy hifampidinika am-pirahalahiana ary hampitovy fijery momba ny hoavin’ny firenena Malagasy noho izany izy ireo. « Aoka hiato ny lonilony sy ny fankahalana fa aoka ny firaisankina sy ny fihavanana no ataontsika fototra iorenan’ny fanarenana ny fiainam-pirenena. Aoka hiaraka hieritreritra ireo fototra tsy hiverenan’ny korontana miverimberina eto Madagasikara ka miteraka fahantrana ho an’ny vahoaka Malagasy isika », hoy Atoa Hery Rakotomanana anisan’ny mpitarika ny GNM. Ahitana ireo tompon’andraikitra ambony teo aloha tahaka ny Praiminisitra Atoa Kolo Roger, ny Filohan’ny CENI teo aloha Atoa Hery Rakotomanana,… moa ity Vondrona ity. Nambara ofisialy omaly moa, fa mijoro ho isan’ny ivon’ny fandalinana mba ho tombotsoa maharitra ho an’ny firenena ny GNM ka lasa GNMR (Groupe National de Médiation et de Réflexion) ny anarana entin’izy ireo. Tsy hijanona sy hionona fotsiny amin’ny fanelanelanana fa hiditra ihany koa amin’ny famolavolana tolo-kevitra mikasika izay rehetra mety mahasoa ny fiainam-pirenena. Ankoatry ny maha Raiamandreny dia miezaka mitady izay hisian’ny filaminana satria izay no hisian’ny tombotsoan’ny besinimaro, ka tsy mitsahatra ny mieritreritra ny tsy hiverenan’ny krizy eto Madagasikara ka nanovanana an’ilay R (Réflexion) amin’ny alalan’ny fandinihana ny fiainam-pirenena hiarovana ny firenena tsy hihotsaka, hoy ny fanazavana.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT