VONDRONA MOMBA NY ATSY SY NY AROA

Miantso ny hisian’ny fifanantonana hisorohana ny krizy


  • Alarobia 11 Oktobra 2023

Nivoaka tamin’ny fahanginana ireo hery politika afovoany na ireo tsy momba ny atsy sy ny aroa ahitana ny antoko

politika Fanorolahy, ny peace Mada, ary ny Groupe des jeumes Malagasy pour la démocratie manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena ankehitriny. Nambaran’izy ireo fa misy ny loza manambana ny firaisankinam-pirenena izay mety hitarika fivakisana eo amin’ny fiaraha-monina mihitsy. Hisy fiantraikany mivantana eo amin’ny fiainam-bahoaka izany hoy hatrany izy ireo noho izany manao antso avo ny amin’ny hisian’ny fifanatonana izy ireo. Miantso azy 13 mirahalahy kandida hanome ohatra tsara amin’ny toetra mendrika izy ireo satria iray amin’izy 13 no tsy maintsy ho filohan’ny Malagasy tsy vaky volo ka tsy hifampiantsy ady amin’ny fomba fiteny sy fihetsika fa kosa hiala amin’ny hambom-po diso toerana ka hikatsaka izay zava-drehetra mety hifanatonana hahafahana miresaka sy mandravona izao olana sy savorovoro mialohan’ny fifidianana izao. Manohana tanteraka ireo finiavana sy fandraisan’andraikitra hahatongavana amin’izay fifanatonan’ny kandida 13 lahy izay ny hery politika avokoa na avy amin’ny mpisehatra ara-politika na ireo raiamandreny ara-drazana indrindra moa fa ny FFKM izay isan’ny manana ny maha-izy azy no sady manana traikefa amin’ny fampihavanana ihany koa. Ankoatra izay dia miantso ny governemanta tsy hanao hatsirambina ny fiainam-bahoaka amin’izao fotoan-tsarotra lalovan’ny firenena izao izy ireo toy ny fidangan’ny vidim-piainana, ny delestazy, ny tsy fandriampahalemana izay tena misy fiantraikany amin’ny andavanandrom-piainan’ny mponina tokoa. Foto-kevitra hijoroan’izy ireo moa ny fandalany hatrany ny fihavanana sy ny firaisankina ary ny fisokafana miampy ny fitiavan-tanindrazana sy ny soa toavina ara-politika.
Pati
Legende : Ireo vondrona afovoany nanao ny fanambarana tsy momba ny atsy sy ny aroa !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT