Politique

Vondrona Miaro ny Fitondrana » Matahotra ny ain’ireo mpikambana ao aminy


  • Alakamisy 16 Febroary 2023

Mangataka fihaonana maika amin’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny filoha nasioalin’ny antoko Vondrona Miaro ny Fitondrana eto Madagasikara Atoa Falisoa Jocelyn.

Aminy mantsy dia tsy fifandrifian-javatra intsony ny famonoana ny zanaky ny mpikambana ao aminy sy ny mpikambana ao aminy tamin’ny fomba feno habibiana fa efa karazana sotasota sy tsy fitiavana mihitsy. Matahotra mafy ny ain’ireo mpikambana ao aminy araka izany ity filohan’ny VMF ity. Raha ny tenako hoy izy dia tsy matahotra aho na hanaraka mbamin’ny aiko aza ho an’ny tanindrazana fa raha ho an’ireo mpikambana kosa dia tokony arovana sy jerena akaiky izy ireny. Rehefa tsy afaka mandray anay ny filoha hoy izy dia tsy maninona na ireo mpiara-miasa aminy akaiky aza hahafahana mandinika izay tokony hatao. Tsiahivina moa fa miisa 800 ireo mpikambana eo anivon’ny VMF eto Antananarivo amin’izao. Efa mahahenika ireo distrika 79 isa kosa ireo mpikambana eo anivon’ny TMM.
Pati
Legende : Ny filoha nasionalin’ny VMF Atoa Falisoa Jocelyn
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT