Tsy mbola miditra amin`ny fanolorana ny anaran`ny praiminisitra ny vondrona IRDA amin`izao. Mandeha miandalana ny zavatra rehetra, hoy ny fanehoan-kevitra sasany.
Omaly ny fanombohana fivoriana manokana eo anivon`ny Antenimieram-pirenena izay haharitra 12 andro. Omaly ny fifidianana birao maharitra fa ho an`ny anio kosa dia vavahady misokatra eo anivon`ity andrim-panjakana ity. Raha ny zava-misy teny an-toerana dia tsy rototra mihitsy ireo depiote IRD amin`ny fanendrena ny praiminisitra lehiben`ny governemanta. Mbola ao anatin`ny fifidianana birao maharitra aloha ny toromarika amin`izao. Kanefa, araka ny voalazan`ny lalàna dia tokony hiroso amin`ny fanendrena ny anaran`ny praiminisitra ny depiote manana ny maro an`isa eo anivon`ny Antenimieram-pirenena. Raha nanontaniana ireo depiote IRD sendra anay dia nilaza izy ireo fa tsy tokony hampitarazoka ny fiaianam-pirenena ny tsy fanendrena ny praiminisitra amin`izao satria manana filoham-pirenena misahana manontolo ny fiainam-pirenena. Inona tokoa no tena mahamaika ? Tsiahivina fa tsy maintsy tanterahina ny adihevitra eo amin`ny lehiben`ny mpanohitra sy ny lehiben`ny governemanta araka ny voalazan`ny lalàna mifehy ny fanoherana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.