Politique

Vondrona iraisam-pirenena Miandry marimaritra iraisana


  • Alatsinainy 26 Martsa 2018

Miandry marimaritra iraisana ny sehatra iraisam-pirenena amin’ny fanatanterahana ny fifidianana eto amintsika. Isan’izany ny momba ny lalàm-pifidianana, izay mety hitondra olana sy krizy vaovao eto amin’ny firenena, raha toa ka handeha ila tsy hisy fandraisana ny tolo-kevitr’ireo ankolafin-kery hafa soloin’ny depiote maro tena, izay efa nijoro ny hanohitra ny fisian’ny kajikajy politika ao anatiny.

 

 Raha vao hitan’ny mpamatsy vola fa hisy ny zavatra mety hiteraka korontana, dia mazava ho azy fa tsy hipotsaka vola velively ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Tsy hanao fafy kantrana ny volana eo izany ny vahiny, izay mety efa manana ny kajikajiny ihany koa. Ireo  rahateo dia mifampiresaka sy mifampaka hevitra hatrany, ary io ilay antsoina hoe vazaha mody miady, ka raha vao iray monja no mihemotra sy tsy mankatoa dia inoana fa hanara-dia azy ny rehetra. Toa efa miteraka ahiahy amin’izao fotoana izao ny fanambaran’ny parlemantera frantsay iray nandalo teto amintsika ny faran’ny herinandro lasa teo hoe tokony tratrarina ny fe-potoana napetraka momba ny zotram-pifidianana. Tsy azo teren-ko masaka toy ny voalobo-jaza anefa io. Nambaran’io  parlemantera vahiny io, fa tokony hirosoana ny tetezamita hahafahana mandamina ny zavatra rehetra, rehefa tsy tratra ny fe-potoana. Raha somary halalinina ny zava-misy, dia tsy dia mankasitraka firy ny mety ho fibodoana fahefana na tetika hafahafa hanemorana ny fifidianana ny vahiny, kanefa ny fanjakana ankehitriny no mbola hitantana eo ao anatin’izay fihemorana izay. Miandry izay ho fivoaran’ny fandaniana ny volavolan-dalàna fehizoro mifehy ny fifidianana ny rehetra. Io no hamaly hoe: hilamina sa hikorontana? Hifampihaino sa hifanao didin’ny be sandry ao anatin’ny sarintsarina demokrasia?

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT