Politique

Vondrona GPR Mihetsika ireo mersenera politika


  • Alatsinainy 22 Jolay 2019

Samy miketrika mafy ireo depiote eo anivon`ny Antenimieram-pirenena amin`izao fotoana izao. Nitsangana teo anivon`ny Antenimieram-pirenena ny vondrona parlemantera « Groupement parlementaire uni pour la République » (GPR).

 

 Solombavambahoaka miisa 21 no mamaritra ny vondrona parlemantera nitsangana teo anivon`ny Antenimieram-pirenena. Nilaza ny filohan`ny GPR, Neypatraiky Rakotomamonjy fa izy ireo dia mivonona hatrany hanohana ny programanasan`ny filoham-pirenena saingy hijoro hanara-maso ihany koa ny asan`ny mpanatanteraka ary hitsangana sy hivelatra bebe kokoa. Nanamafy kosa izy ireo fa « centriste », izany hoe tsy miandany. Amin`ny ankapobeny, ireo solombavanmbahoaka ao anatin`ity vondrona parlemantera GPR ity dia mpanao politika tamin`ny fotoana andron`ny fitondrana Rajaonarimpamianina saingy nirotsaka tamin`ny anarany manokana.

Niisa 10 ireo vondrona parlemantera teo anivon`ny Antenimieram-pirenena nijoro nandritra ny fe-potoam-piasana farany teo dia ny TIM, HVM, Hiaraka Isika, Maitso, Leader Fanilo, VPMMM,  MAPAR1, MAPAR2, MAPAR3 ary GPS-ARD

 

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT