Vondrona G5

“Mety nisy tsindry, tsy azo ekena ny fomba nanendrena ny governemanta…”


  • Alarobia 13 Septambra 2023

Nanao fanambarana tetsy 67ha omaly ny vondrona politika G5 fa rehefa nandinika lalina ny raharaham-pirenena

ankehitriny izy ireo dia manda marindrano ny fanapahan-kevitry ny HCC manaiky ny firotsahan’andriamatoa Andry Rajoelina ho kandida filoham-pirenena ho fampiharana ny voalazan’ny lalàmpanorenana mikasika ny zom-pirenena malagasy. Lavinay marindrano koa, hoy izy ireo, ny fanapahan-kevitra noraisin’izay mpitsara nanome ny zom-pirenena malagasy an’andriamatoa Andry Nirina Rajoelina satria fandikan-dalàna izany. Miantso ny FFKM hanohy ny dinika iarahan’ny olompirenena iaraha-mitady vahaolana handaminana ny fiainam-pirenena ka hifanome tanana amin’ireo raiamandreny ara-drazana sy fiangonana zandriny ary ny Silamo. Takian’ny G5 ny hanadiovana sy hanatsarana ny rafitra sy lalàna mifehy fifidianana mialohan’ny hirosoana amin’ny fifidianana atao ny 9 novambra izao. Miangavy ireo “collectif des candidats” na firaisankinan’ny kandida nanao fanambarana mba hanana fahasahiana hanohy hatramin’ny farany ny foto-kevitra nijoroany amin’ny tsy fanekena ny filatsahan’andriamatoa Andry Nirina Rajoelina ho kandida filoham-pirenena sy ny fanendrena ny praiminisitra filohan’ny governemanta ho filoham-panjakana. Tsy azo ekena ny fomba nanendrena ny governemanta hisahana ny asan’ny filoham-panjakana satria tsy mifanaraka amin’ny lalàna manan-kery voalazan’ny lalàmpanorenana ao amin’ny andininy faha 46 sy 52 ary mifono teti-dratsy. Voahitsakitsaka ny lalàmpanorenana, ny lalàm-pifidianana, ny demokrasia. Efa tsy tany tan-dalàna intsony i Madagasikara ankehitriny. Manao antsoavo amin’ny foloalindahy malagasy, ny solombavambahoaka, ny FFKM mba hijoro handray ny andraikitra tandrify azy ny tsirairay hanavotana ny firenena. Tsy misy zavatra tara fa azo tanterahana mialohan’io 9 novambra io ny diniky ny olompirenena. Hitantsika fa na ny famoahana ilay zom-pirenena malagasy aza manjavozavo hatramin’izao. Naheno koa ve ianareo hoe oviana no nametra-pialana andriamatoa Andry Rajoelina? Mivoana amin’ny lalàmpanorenana ny nataon’ny HCC. Nilaza tamin’ny RFI fa vonona hanatanteraka izay voalazan’ny lalàmpanorenana ny filohan’ny antenimieran-doholona nefa tsy izay no nitranga. Mety nisy fanerena ny filohan’ny antenimieram-pirenena tao, hoy hatrany ny G5.

J. Mirija

Légende: Ry zareo G5

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT