Vondrona G5

Manameloka ny fampiasan-kery, hanamafy ny tolona


  • Alatsinainy 06 Novambra 2023

Manoloana ny zava-niseho androany nandritra ny hetsika am-pilaminana nataon'ny Firaisankinan’ny kandida ny

sabotsy teo. Namoaka fanambarana ny Vondrona politika G5 fa : manameloka ny fampiasan-kery sy fandatsahan-drà natao tamin’ireo vahoaka maneho hevitra am-pilaminana, indrindra fa ny fampiadiana ny samy Malagasy toy ny niseho teo amin’ny Conforama ; mankahery ireo vahoaka naratra mafy vokatry ny herisetran'ny zandary, indrindra fa ny fandratrana mpanao gazety manao ny asany ; mankahery ny mpitolona rehetra indrindra fa ireo Collectif des candidat mpitarika ny tolom-bahoaka mba hijoro hatramin’ny farany ary hanohy ny tolona. Noho izany, ny vondrona politika G5 dia vonona ny hanome tànana ny collectif des candidats ary hitondra ny traikefany hanatsarana ny tolona iombonana, hoy izy ireo. Nanamafy izy ireo fa ilaina ny fifampihainona sy fifanakalozana traikefa. Tsara no mampahatsiahy, fa antoko sy vovonana maromaro no mandrafitra an’ity G5 ity, toy ny Hiffim, ny HVM, ny RMDM, ny VPHM, ny Vondrona Panorama :
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT