Vondrona G5

« Loza ho an’ny firenena io fifidianana io »


  • Talata 29 Aogositra 2023

Naneho ny alahelony ary naneho fiaraha-miory nanoloana ireo namoy aina sy naratra noho ny fifanosehana hijery ny

fanokafana ny lalaon’ny nosy teny Mahamasina ny faran’ny herinandro teo omaly ny vondrona politika G5. Manoloana ny raharaham-pirenena kosa dia namoaka fanambarana tetsy 67ha izy ireo fa mazava ny voalazan’ny andininy faha 42 ao amin’ny sata mifehy zom-pirenena malagasy sy ny andininy faha 46 ao amin’ny lalàmpanorenana fa tsy tokony hisy fifandroritana intsony ny amin’ny tokony hampiharana ny lalàna manan-kery. Raha misy mikipy hamoaka zom-pirenena malagasy ho an’i Andry Rajoelina, hoy izy ireo, dia tomponandraikitra amin’ny fikorontanana misy amin’ny firenena izy ireo. Miantso ny olompirenena tia tanindrazana rehetra mba hijoro hatramin’ny farany hiaro sy ho sarotiny amin’ny fiarovana ny fiandrianam-pirenena hametrahana ny tany tan-dalàna eto Madagasikara. Manjavozavo hatreto ny mikasika ny lisi-pifidianana sy ny asan’ny CENI. Takian’ny G5 ny hamoahan’ny CENI ny lisitry ny fokontany nanaovana ny fanisana na “recencement” isaky ny kaominina sy ny anaran’ny olona voasoratra anarana. Misintona ny feon’ny fiheritreretan’ireo kandida milaza hirotsaka fa loza ho an’ny tanindrazana ny firosoana amin’ny fifidianana amin’izao endriny izao. Miantso ny herivelona rehetra mba ho tonga handray anjara mavitrika amin’ny fikaonan-doham-pirenena iaraha-mitady vahaolana sy ny fandaminana ny fiainam-pirenena mba hisorohana amin’ny korontana mety hisy eto amin’ny firenena. Miisa 4 tapitrisa mahery eo ny tanora tsy ampy taona mbola tsy tafiditra anaty lisi-pifidianana. Mangataka fanovana lalàmpanorenana ny G5, ny famoahana ireo gadra politika, fampiharana lalàna eto. Handray anjara amin’ny fampihaonana ataon’ny FFKM rahampitso (TTF: anio) izahay ary heverinay fa zava-dehibe io. Mirary vahaolana sy fandeferana avy amin’ny fitondram-panjakana ankehitriny izahay. Mba tena hijery ny tombontsoam-pirenena jka handray anjara amin’io fikaonandoham-pirenena io, hoy hatrany ny G5.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT