Vondrona Firaisankina ao Sambava

Nolavina ny firotsahan-kofidian’ny kandida


  • Alakamisy 11 Aprily 2024

Nolavin'ny OVEC ny firotsahan-kofidiana ho an'ny kandida depiote avy amin'ny vondrona politika Firaisankina,

raha ny fampitam-baovao voaray ny 9 aprily teo. Nanao fanambarana ny avy amin'ny OVEC na «Organe de Vérification et d'Enregistrement des Candidatures», izay sampana miandraikitra ny fandraisana ireo dosie firotsahana ho kandida, ao Sambava fa tsy ampy ny antotan-taratasy ho an'ny kandida avy amin'ny Firaisankina, Loïc Chan, ka nolavina avy hatrany izany fa tsy ho isan’ny ho kandida izy. Hatreto, ny kandida avy amin'ny Isika Rehetra miaraka amin'ny Andry Rajoelina na IRMAR ihany no manan-kery raha ao amin'ny distrikan’i Sambava. Manana 48 ora ny kandida hampiakarany ny fitarainana eo amin'ny CENI foibe. Raha ohatra ka mbola lavin'ny CENI hatrany dia mbola manana 48 ora hafa ihany koa ny kandida hampiakarany izany eo anivon'ny HCC na Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, raha ny fanazavana hatrany. Ankoatran’ity tranga tao Sambava ity moa dia ny lafiny fikarakarana taratasy no saika nahenoana fitarainana maro raha ny mikasika ity filatsahan-kofidiana depiote ity. Eo koa ny endrika antsojay isan-karazany sahady tahaka ny fisamborana kandida iray tao Nosy be Hell ville ny faran’ny herinandro teo izay efa navoaka moa. Firy isan-jaton’ny filatsahan-kofidiana avy amin’ireo hery politika ivelan’ny fitondrana, indrindra, mpanohitra izany no ho ekena amin’ity fifidianana hoavy ity, raha toa ka misy kandida avy amin’ny vondrona politika manaraka ny lokon’ny fitondrana sahy milaza sahady fa hahazo ny 90% ao amin’ny antenimieram-pirenena? Ny raikipohy na «formule» nitranga tamin’ireny hetsiky ny kandida miisa 11 izay toy ny nosarihina nandany andro nidina an-dalambe ireny ve izany no hisarihina na hanamandrihana fanindroany indray ny mpanohitra ka hanome kianja malalaka handihizan’ny kandidam-panjakana fotsiny? Andrasana ny fivoaran’ny toe-draharaha.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT