Politique

Vondrona, fikambanana, antoko politika… Mitaky tsy misy hatak’andro ny famoahana ireo gadra politika


  • Alatsinainy 14 Novambra 2022

Tao aorian'ny fakan-kevitra avy amin'ireo vondrona sy antoko politika, fikambanana, olon-tsotra izay nivory tao

amin’ny hotely Astauria Antanimena ny sabotsy 12 novambra 2022 teo ambany fitarihan'ny Vondrona politika hafa miray na V.P.H.M dia mamoaka izao fehin-kevitra manaraka izao, hoy ny fampitam-baovao voaray. Manamafy ny tsy maintsy hanatanterahana maika ny fikaonandoham-pirenena handraisan'ny foko rehetra sy ny herivelona misy eto amin’ny firenena anjara. Faharoa ny fampidirana ao anaty lahadiniky ny fikaonandoham-pirenena ny lalampanorenana sy lalam-pifidianana ary ny fiainam-pirenena. Fahatelo ny fampivondronana ny herivelona rehetra mankasitraka ny fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena. Fahaefatra ny firosoana amin’ny fanatanterahana ny fanorenana ifotony an'i Madagasikara. Fahadimy, hijoro hatramin’ny farany hitady vahaolana hanavotana ny firenena. Fahaenina, fanatanterahana ny fampihavanam-pirenena mba ho antoky ny fitoniana ary takian'ny mpizaika ny famoahana tsy misy hatak'andro ireo gadra politika any am-ponja. Nisy ny vaomiera manokana hisahana ny fihaonana amin’ireo herivelona rehetra ka atomboka amin'io herin'andro io izany fihaonana izany hampivondronana ny hery hirosoana amin’ny fanavotana ny firenena, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT