Politique

Vondrona Eoropeanina “Tsy manery tetezamita, manohana raha izay no ifanarahana”


  • Talata 09 Mey 2023

Tsy manery ny hisian’ny tetezamita na governemantan’ny firaisam-pirenena eto Madagasikara ny Vondrona Eorpeanina, raha ny nambaran’ny Ambasadaorony Rtoa Isabelle Delattre omaly 08 mey 2023.

Nanambara ho manohana izany kosa anefa raha izany no fifandaminana mitranga eto amin’ny firenena miainga amin’ny fifanarahan’ny herivelona rehetra eto. Manohana izany raha izay no safidin’ny governemanta Malagasy sy ifanarahan’ny herivelona politika samihafa, izany hoe: mifanaraka amin’izany ny eo amin’ny fitondrana sy ny mpanohitra amin’ny hananganana governemanta firaisam-pirenena, raha ny hevi-dehibe navoitrany. Tato anatin’ny andro maromaro moa no efa nivoaka ny feo amin’ny mety hisian’ny fananganana tetezamita aoriana ao, ary toa manomboka mitovitovy izany ny firesaky ny mpanao politika samihafa. Isan’ny sarotiny amin’ny resaka fanarahana ny fenitra sy fitsipika demokratika amin’ny fandraisana fahefana ny sehatra iraisam-pirenena, ka azo heverina ho midika zavatra maro sy misy lanjany goavana ara-politika io firesaky ny Vondrona Eoropeanina io manoloana ny toe-draharaha ara-politika eto. Ankoatra io, nanamafy ny fanamelohana efa nataony manoloana ny naoty navoakan’ny Minisiteran’ny Atitany mandrara ny fahafahana manao famoriam-bahoaka amin’ny hetsika politika ihany koa ny vondrona Eoropeanina. Lasa fanaon’ny fitondram-panjakana Malagasy mantsy ny manao fandrarana ny hetsika politika samihafa, raha ny nambarany. Notsipihiny fa tsy voatery hisy toerana mitafo ny toerana rehetra toy ny any ambanivohitra, ka lasa manahirana be io. Nanitrikitrika fa mifanohitra tanteraka amin’ny fifanarahana nosoniavin’I Madagasikara taona 1971 mikasika ny zo sivily sy politika ny fanapahan-kevitry ny Fanjakana. “Io fifanarahana io no tokony hanan-kery kokoa, ary ny lalàna nifotoran’ny Fitondram-panjakana Malagasy nentina nandray io fanapahan-kevitra io dia efa tany amin’ny taona 1962. Aminay, dia manan-danja sy lohalaharana kokoa ny fifanarahana iraisam-pirenena izay nosoniavin’I Madagasikara ny taona 1971”, hoy hatrany Rtoa Isabelle Delatre. Tsy ny fahalalana ihany no voatohintohina fa indrindra ny fitoniana heverintsika hapetraka mialohan’ny fifidianana, hoy hatrany io Diplaomaty io. Ny 09 martsa no namoaka fanamelohana iraisana ny Vondrona Eoropeanina sy ny firenena miisa enina.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT