Na dia niezaka tamin’ny fomba rehetra aza i Libia, nangataka ny hanalavana 12 volana ny fe-potoana hitondrany ny Vondrona Afrikanina dia nivondrona ireo firenena eo anivon’ny faritra atsimon’i Afrika, ka nanohana hatramin’ny farany ny filatsahan’i Malawi, hitantana ny vondrona.
Ary raha mbola nidrikina i Libia dia efa nivonona ny amin’ny tokony hirosoana amin’ny fifidianana ireo filoham-pirenena eo anivon’ny SADC. Ny filohan’ny Repoblikan’i Malawi, Bingy Wa Mutharika, 76 taona, no lany hitondra ny Vondrona Afrikanina ato anatin’ny herintaona, handimby ny filoha libiana Mouammar El Kadhafi, izay nianteheran’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita fatratra, fa hanampy sy hanohana azy. Kihon-dalana goavana ho an’ity Vondrona ity ny nahalany io filoham-pirenena avy amin’ny tany miteny anglisy io.
Niantso ireo filoham-pirenena afrikanina namany i Mutharika mba hisiana asa bebe kokoa. Tsy tokony hijanona fotsiny amin’ireo fanambarana sy tsoa-kevitra isika, hoy izy fa tonga ny fotoana hampandrosoana an’i Afrika. Tetsy an-danin’izay, raha namindra ny faneva i Kadhafi, dia somary nanao farateny ihany. Tsy levon’ny vavoniny loatra mantsy izao fahareseny izao, ka nilaza fa tsy mila anaram-boninahitra ny tenany fa hijanona eny aloha kosa hitolona ho an’ny Vondrona Afrikanina. Nambarany ihany koa fa raha fantany tamin’ny taon-dasa ny tena hoe andraikitr’izany filohan’ny Vondrona Afrikanina izany dia nolaviny. Herintaona taty aoriana anefa dia mbola nangataka fanalavam-potoana hitantana izany ny lehilahy saingy voatsipaka am-bavafo. Rehefa resy ny tenany dia nambarany ihany koa, fa tsy dia ilain’izao vanim-potoana izao ny maha filohan’ny Vondrona Afrikanina.
Mpahay toekarena
Manampahaizana ambony ara-toekarena, i Bingy Wa Mutharika. Efa nitana andraikitra maro, indrindra ny lafiny toekarena, teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny tenany. Niasa teo anivon’ny Banky Iraisam-pirenena izy, avy eo Sekretera jeneralin’ny Comesa. Eo amin’ny lafiny politika dia efa sesitany tany Zambie ny tenany, vokatry ny tsy fifankahazoana tamin’ny mpitondra tao Malawi. Nanampy ny antoko “Front Démocratique Uni (UDF)”, izay niady ho amin’ny fahalalahana ara-politika tany Malawi, i Mutharika tany amin’ny taona 1990 tany. Nandresy tamin’ny fifidianana ny antokony ny taona 1994 ary izay no nahafahany niverina an-tanindrazana. Minisitry ny toekarena sy ny fampandrosoana i Mutharika (2003-2004), avy eo voafidy ho filoham-pirenena nandimby toerana an’i Bakili Mulizi, samy avy amin’ny UDF ny taona 2004. Lanim-bahoaka fanindroany indray ny tenany ny volana mey 2009 tamin’ny anaran’ny “Parti Progressiste Démocratique (DPP)”. Olom-pantatra eo anivon’ny sehatra iraisam-pirenena ity filohan’i Malawi ity satria tsy nijanona tao Malawi ihany ny asa fampandrosoana nataony fa nitatra ho an’ny tapany atsimon’i Afrika. Mpanoratra i Mutharika, ary maromaro ny boky efa navoakany. Ny volana oktobra 2009, dia nasalotra azy ny loka "Drivers of Change Award" tao Johannesbourg. Tamin’io fotoana io no nihaonany sy nifampidinihany tamin’ny filoham-pirenena malagasy Marc Ravalomanana.
Rahampîtso no hifarana ity fihaonana faha-14 ny Vondrona Afrikanina any Addis Abeba ity ka anisan’ny hodinihana mandritra izany fotoana izany ny hoavin’i Soudan, herintaona mialoha ny fitsapahan-kevi-bahoaka hanomezana ny fahaleovantena ny tapany Atsimo, ny ady an-trano ao Somalie, ny raharahan’i Madagasikara, ny tetezamita any Guinée, herintaona taorian’ny fanonganam-panjakana nataon’ny miaramila.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.