Nanatanteraka fotoam-bavaka lehibe ny Vondron’olon-tsotra any Alaotra ny farany herinandro iny.
amin’ny Akany Fitiavana Avaradrova Ambatondrazaka no nanatontosana izany ny tolakandron’ny alahady 23 oktobra teo. “Koa aza manary ny fahasahianareo izay misy valiny lehibe. Fa tokony hanana faharetana ianareo mba hahazoanareo izay lazain’ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny sitrapon’Andriamanitra. Fa, rehefa afaka kelikely, dia ho
Eo ny fanenjehana sy ny esoeso isan-karazany. Tokony hitraka hatrany manoloana ireo ny mpitolona, ary efa mazava ny baiko araka ny teny ao amin’ny Baiboly fa tsy azo atao ny mihemotra, fa raha mihemotra dia tsy sitraky ny Fanahy, hoy ny Tompo. Toy ny ganagana mitety asa ny mpitolona mihemotra ka ny tratra mangana ny hanina tsy azo. Tokony hanana fahasahiana araka izany ny vahoaka Malagasy raha tiana ny hiala amin’izao fangirifiriana nateraky ny fanonganam-panjakana izao. Zava-dehibe amin’izany ny fitrotroana am-bavaka ny firenena sy ny fananana finoana fa tsy maintsy ho tratra ny tanjona dia ny fiverenana amin’ny ara-dalàna, izay tsy inona fa ny fodian’ny filoha voafidy ny vahoaka eto an-tanindrazana dia ny filoha Marc Ravalomanana, hoy ireo mpanentana raha nandray fitenenana.
Nahazo hery sy hita ho velombolo ery ireo mpitolona ao anatin’ny Vondron’olon-tsotra any Alaotra taorian’ny fiarahana miombom-bavaka nataon’izy ireo. Fantatra fa ny laharampahamehana ho an’ireto Vondron’olon-tsotra ireto dia ny fodian’ny filoha Marc Ravalomanana eto Madagasikara fa tsy ny ady seza izay maharevo ny mpanao politika.
Niry A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.