Politique

Vondron’olom-pirenena ho an’ny fampiombonana Mitaky ny fampihaonana ireo filoha efatra


  • Zoma 14 Oktobra 2011

«Tsy azo ihodivirana ny fampihaonana an-tampony eto Antananarivo ireo Filoham-pirenena teo aloha, dia Ratsiraka Didier, Zafy Albert, Ravalomanana Marc sy Rajoelina Andry izay misalotra ny fiadidiana ambony indrindra amin’ny HAT», hoy ny Vondron’olom-pirenena ho an’ny fampiombonana.

 Mba tsy hiverenan’ny krizy sy ny olana vokatry ny fifanonganana samihafa sy ny fanjakazakana ary ny fanodinkodinana ny fifidianana izay niainana hatramin’izay, hoy ihany ny Vondron’olom-pirenena dia tonga ny fotoana iarahana mahatsapa fa manana ny andraikitra manokana tsy azo iambohoan’ireo Raiamandreny ireo. Tsy afaka hianona fotsiny amin’ny fototry ny olana noho ny adidy nisalorany teto amin’ny firenena sy ny fanajana ny fahatsiarovany ny maha Malagasy azy izy ireo.

Nambaran’ity fikambanana ity fa efa nisy ihany fihaonan’izy efatra ireo tany ivelany saingy ny fifampizarana toerana no nifotorana tamin’izany satria noheverina fa izay no hamaha ny olana. Ho an’ity fihaonana manaraka ity àry dia antitranterin’ny Vondron’olom-pirenena fa tsy amin’ny maha filohan’ny antoko na vondrona no hifampiresahana sy hihaonana fa tena amin’ny maha Raiamandreny sy amin’ny maha Malagasy, izay hikatsaka ny tombontsoan’ny zanany. Izany hoe ny hahavelona sy hampijoro ny firenena Malagasy ka izy ireo no ho lohalaharana amin’izany, hoy ihany ny Vondron’olom-pirenena izay milaza fa tokony hijoro ho mpanome ohatra tsara manoloana ny firenena izy efatra ireo, satria hevitra vaovao no tiana hapetraka, ary firenena mihoitra no tiana hasongadina. Ho an’ny Vondron’olom-pirenena dia tsy hisy ny alaolana maty paika raha tsy voatsodranon’izy ireo amin’ny alalan’ny oha-piombonana sy fifampihavanana asehony sy iainany manomboka amin’io fihaonana io.

Takian’ny tantara ny hihaonan’izy efatra manokana eto Antananarivo, tsy atrehin’ireo mpomba azy avy, eo imason’ny vahoaka malagasy, mba hanoritana fanantenana vaovao ho an’ny Malagasy, izay efa tofoky ny disadisa sy fahadisoam-panantenana amin’ny endriny samihafa, hoy ihany ny Vondron’olom-pirenena ho an’ny Fampiombonana. Raha tsy tanteraka izany dia maizina ny hoavin’i Madagasikara, hoy ihany ity vondrona izay tarihin’ny Pr Ranjeva Raymond, ny mpitandrina Ramamonjisoa Philibert sy ireo namany hafa ity.

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT