Politique

Vondron地y Tanora ao anatin地y Ankolafy telo Hanolotra Praiminisitra ao anatin地y tetezamita tena izy


  • Alarobia 05 Oktobra 2011

Naneho ny fomba fijeriny mikasika ny raharaham-pirenena misy eto amintsika amin段zao fotoana ny vondron地y tanora ao anatin地y firehana telo na ny 敵roupement des jeunes des trois mouvances (GJ3M) �.

 Mahatsiaro tena ho tomponandraikitra amin’ny famahana ny krizy misy eto amin’ny firenena mantsy izy ireo, indrindra taorian’ny nanaovana sonia ny tondrozotra teny Ivato ny 17 septambra lasa teo. Tsy araka ny tokony ho izy anefa ny fanatanterahana io tondrozotra io araka ny nambaran’ny GJ3M ihany. Efa betsaka sahady, hoy izy ireo ny mandika vilana io tondrozotra io ka manda ny fifanekena efa nifanaovana sy mamadika izany ho zavatra hafa. Anisan’ny ohatra noraisin’ity GJ3M ity ny mikasika ireo feo mandeha ny amin’ny tsy hanovana ny governemanta sy ny hitazonana ny praiminisitra Camille Vital amin’ny toerany.

Eo ihany koa ireo vondrona politika hafa izay efa miezaka manilika ny hafa niara-nanao sonia taminy izay mitady hanjaka tokana. Manao antso avo amin’i Andry Rajoelina, filohan’ny FAT, ny GJ3M manoloana izany mba tsy hanaiky ho voafitaky ny mpanao politika sy ireo mpanolotsaina manodidina azy, antony iray tsy hahazoan’i Madagasikara ny fankatoavana iraisam-pirenena izay katsahin’ny rehetra andro aman’alina. Toraka izany koa ny vondrona RDR izay mitovy hevitra amin’ny GJ3R amin’ny fiarovana ny tondrozotra. Tokana moa no tanjon’ireto vondrona roa ireto dia ny mba hahatongavana any amin’ny tetezamita iaraha-mitantana hialana amin’ny fanitarana ny fotoana hiasan’ny fitondrana tetezamita. Hanolotra Praiminisitra ao anatin’ny tetezamita tena izy moa ny GJ3M araka ny nambaran’izy ireo, praiminisitra tsy avy ao amin’ny fitondrana ankehitriny saingy mahay miara-miasa amin’izy ireo kosa.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin窶冓ty sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an窶冓 Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT