Mirotsaka manao fampielezan-kevitra hampandany ny kandida filoham-pirenena Dr Robinson Jean Louis ny vondron’ny gadra politika tato anatin’izao tetezamita izao.
Resy lahatra izy ireo fa ny Dr Robinson Jean Louis no antoky ny fampihavanam-pirenena, ho zava-doza kosa, hoy izy ireo, raha i Hery Rajaonarimampianina izay kandidan’i Andry Rajoelina no voafidy eo, ary ahiana ho tavela any am-ponja ireo 21 mbola mihitsoka any hatramin’izao. Manao andiany roa ireto gadra politika ireto mampahafantatra amin’ny olona ny loza mitatao amin’ny firenena sy ny fiarahamonina raha sanatria ny kandidan’ny Hery vaovao no voafidy, koa tongava mifidy ary arotsahy ho an’ny kandida Dr Robinson Jean Louis ny vato hisian’ny fiarahamonina tony sy mirindra, anjakan’ny fihavanana.
JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.