Politique

Vondron'ny Fitaratra Marina Ireo tokony ho toetoetran'ny praiminisitra


  • Alarobia 19 Oktobra 2011

Efa zava-dehibe ary fanapahan-kevitra goavana iny fametraham-pialana nataon’ny governemanta tamin’ny alatsinainy 17 oktobra iny, hoy ny Filoha Nasionalin’ny Vondron’ny FItaratra ny Marina (FIMA), Rarivoson Razafindramonjy Charlot.

 . Iriny mba hanaraka izany koa ireo andrim-panjakana sasany dia ireo parlemanta CST sy CT izany. Tokony hanao fitaratra ny governemanta ireto parlemantera ireto, izany hoe tsy niandry nalana fa nahay nanala tena, hoy ihany izy. Ny hirosoan’ny fametrahana tetezamita iraisana sy ny fametrahana ny rafitry ny Repoblika fahefatra mantsy izao no tokony ho vaindohan-draharaha. Tsy tokony hivaona amin’ny voalazan’ny sori-dalana eken’ny rehetra, araka izany, ny toetoetran’izay ho praiminisitra, mba ho fanajana an’io sori-dalana io. Nambaran’ity filohan’ny FIMA ity àry fa tsy mbola lany olomanga ny firenentsika ary manana olona maro efa manana traikefa amin’ity asan’ny praiminisitra ity.

Tokony ho olona matahotra an’Andriamanitra sy tsy miandany na amin’iza na amin’iza, tsy mitovy fironana amin’ny Filohan’ny FAT nefa manaja ny fifandanjana isam-paritra no ho eo. Olona afaka mampiray ny Malagasy fa tsy hampisara-bazana indray. Olona manana fahavononana feno hanatanteraka ny fifidianana amin-kitsim-po fa tsy manana eritreritra ny hilatsaka hofidiana ho Filoham-pirenena ihany koa. Ny tena takiana anefa dia mba tsy ho olona efa nanana traikefa sy afaka manao io asa io avy hatrany fa tsy vao hianatra azy akory. Izany hoe efa manana ekipa handray ny andraikitra rehetra mba tsy hampitarazoka amin’ny fanoloana olona isaky ny kabinetra sy ny rafitra eny anivon’ny ministera. Ny ara-toekarena no tena manan-danja amin’izany satria io no lohalaharana amin’ny fahavoazan’ny firenena.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT