Politique

Volabe mety nahavitana fifidianana Lanilany foana nanaovana kolikoly


  • Zoma 06 Aprily 2018

Mitalaho sy sasatry ny mitangirika vola any ivelany ny fanjakana sy ny firenena Malagasy hanatanterahana fifidianana. Sesilany ny fandresen-dahatra ary hatao fitaovana ny hoe mitady vola sy mpiara-miombon’antoka

 hahafaha-manatanteraka fampandrosoana, saingy lany amin’ny kolikoly sy ny fitantanana tsy mangarahara amin’ny ankapobeny. Malaza sy tsy takona afenina intsony io ny resaka kolikoly avo lenta eo anivon’ny antenimieram-pirenena noho ilay resaka volabe 50 ka hatramin’ny 60 tapitrisa ariary sandan’ny fandaniana ny volavolan-dalàna mifehy ny fifidianana. Tsy vao izao ny nandrenesana resaka kolikoly sy fizarana vola amin’ny malety ao rehefa misy lalàna lehibe tiana holaniana. Efa ana miliara maro be izany ny kolikoly nivoaka tao, ary mety efa nahavitana fifidianana iray, saingy lanilany foana tamin’ny tombontsoan’olom-bitsy. Atao mahagaga ve raha tsy marisika amin’ny fandoavan-ketra ny vahoaka Malagasy. Lany hireven’ny mpambotry firenena ny volam-bahoaka, kanefa dia ny vahoaka hatrany no volosana andro aman’alina. Hakarina ny vidin-jiro, volosana ara-ketra ny mpandraharaha,… Tena lany amin’ny tsy misy dikany noho ny fitiavan-tena sy fitiavan-karena diso tafahoatra, saingy mbola sahy milaza ihany fa mijery ny tombontsoa ambonin’ny firenena. Manome 4 740 000 000Ar, izany hoe 4 miliara ariary mahery ny sandan’ny fanambazana ny depiote 79 handany ny lalàna mifehy ny fifidianana, raha tena nisy tokoa ilay kolikoly 60 tapitrisa ariary, ary mety tafakatra 5 miliara izany miaraka amin’ny revy sy sakafo ary ny hofan’ny hotely namondronana azy. Nisy ny zavatra hafahafa niseho talohan’io resa-bola io satria nialoha ny fetin’ny paska, dia toa nanana olana ny banky sasany teto Antananarivo, ka nisy ny mpiasa tsy afaka nisitraka karama. Nalaina nandovana kolikoly ho an’ny depiote ve aloha ny vola ? Teo ihany koa ny fampisondrotana ny vidin-tsolika nandritra ny iray andro, saingy nampidinina ihany avy eo, ka tsy hay intsony izay mety ho fifandraisany. Raha ny resaka kolikoly teny amin’ny antenimiera roa, dia tsy resahina intsony ny volabe efa nozaraina taloha, izay tombanana ho avo telo na efatra tamin’io tamin’ny herinandro io nolaniana tamin’ny tsy misy dikany io. Nitondra inona teto amin’ny firenena ireny volabe natao fafy katrana ireny ? Atao mahagaga ve raha tsy mahatoky antsika ny mpamatsy vola noho ny firongatry ny kolikoly ? Fihatsarambelatsihy sy fanompana vahoaka no betsaka !

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT