Voka-pifidianana vonjimaika

Mipasoka daomy sy hanipy baolina amin’ny HCC ny CENI…


  • Talata 11 Jona 2024

Mitodika etsy amin’ny CENI ny mason’ny mpanara-baovao anio eo anoloan’ny famoahana ny valim-pifidianana vonjimaika.

Betsaka ny fitarainana sy ampamoaka mikasika ny hosoka sy hala-bato, eny fa nisy mihitsy aza ireo kandida tonga nanao fampitahana na « confrontation » teny amin’io rafitra mikarakara fifidianana io. Ity rafitra ity anefa etsy ankilany dia voalaza fa tsy afaka manova ny voka-pifidianana niainga tamin’ny antontan-taratasy voarainy sy kirakirainy, fa ny HCC no tompon’ny teny farany. Andrasana araka izany hoe : hanao ny vokatra vonjimaika hivoaka anio ? Sambany teo amin’ny tantara ny nisiana kandidam-panjakana milaza fa niharan’ny hala-bato, izay toa lasa misy endrika fanamafisana ny fiampangana ny CENI ho tsy nahafehy ny fifidianana. Raha ny endrika sy firafitr’ireo antanan-tohatra miainga any amin’ny fokontany, kaominina, distrika, faritra, SRMV, CENI,… anefa, dia ny fitondram-panjakana manana tombondahiny. Tena manana herijika hangala-bato ve ny mpanohitra sa ny IRMAR no efa aloham-bahoaka na natao aza ny tsindry samihafa toy ny fanoloana sefom-pokontany, fampiasana fitaovana sy volam-panjakana,… ? Dia ireny niaraha-naheno omaly ireny ny fanambaran’ny IRMAR hanatsimbadika daomy ka nilaza fa ny CENI dia mamoaka fironam-bokatra fotsiny ihany araka ny voalazan’ny lalàna fa ny HCC irery ihany no mamoaka ny vokatra tena izy, ary afaka manitsy ny fironam-bokatra rehefa voaporofo ny marina rehetra mifototra amin’ireo antontan-taratasy fanaporofoana rehetra entina eo anatrehany. Ny tena zava-nisy isaky ny distrika no hivoaka sa ao amin’ny CENI dia efa nandeha ny pasoka daomy hanomezana tombodahiny kandidam-panjakana ? Nahoana no tsy notohizana hatramin’ny farany ilay fironana vonjimaika izay betsaka ny zavatra nampiahiahy toy ilay resaka « rajouts »? Avela amin’izao sy atsipy any amin’ny HCC ny kitsingitsingina isam-bato toy ny 45 lasa 445 ? Hialokaloka amin’ilay hoe : ny HCC no tompon’ny teny farany ? Raha tarafina tamin’ireo fironam-bokatra sy « PV de clôture » dia saika vizana ny ankamaroan’ny IRMAR tamin’ireo tanàn-dehibe, ka ho an’ny renivohi-paritany, dia i Fianarantsoa irery no nazava ny elanelan’isa, fa ny ankoatr’izay tena azo lazaina ho montsana ny ankamaroany. Betsaka ireo distrika andrasan’ny vahoaka fatratra ny mety ho vokatra hitranga eo, ary efa notaterina teto fa distrika 29 no ahiana hisy korontana sy fanoherana, ka ny 16 amin’ireo tena mampanahy dia ny ao Antanifotsy, Faratsiho Ambilobe, Ambositra, Manandriana, Ambatofinandrahana, Ihosy, Farafangana, Vangaindrano, Ambatondrazaka, Mahanoro, Sakaraha, Betroka, Amboasary Atsimo, Antanimora Sud, Beloha. Ny 13 (Tsihombe, Betafo, Ambalavao, Ikalamavony, Vondrozo, Nosy Varika, Mahajanga I, Maevatanana, Toamasina I, Mahabo, Belo Tsiribihina, Miandrivazo) mampanahy saingy sokajiana ambanimbany ny ambana. Ratsy toerana sy tsy mitarika ihany koa ny kandidam-panjakana ao Vohipeno, Vondrozo, Beloha Androy, Betroka, Mahajanga II, Ambatoboeny, Marovoay, Mitsinjo, Ambatomainty, Antsalova, Antsohihy, Befandriana Avaratra, Mampikony, Beroroha,… ka asa ho voatazona ireny ao anatin’ny vokatry ny CENI sa hitsimbadika ? Isan’ny andrasan’ny rehetra ihany koa ny tao Ambatolampy, Morondava, Faratsiho, Fandriana izay minisitra teo aloha dia Atoa Tianarivelo Razafimahefa, Haja Resampa, Lalatiana Rakotondrazafy, Solo Andriamampisoa no nifanifanina.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT