Voka-pifidianana vonjimaika

Minisitra 2 teo aloha ratsy toerana…


  • Alakamisy 30 Mey 2024

Ratsy toerana ny kandidam-panjakana ao Faratsiho raha ny ampaham-bokatra vonjimaika avy

any an-toerana omaly. Ny tao Faratsiho Renivohitra no nitarihan’ny kandidam-panjakana dia ny Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha, Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy satria raha ny tao amin’ireo Birao fandatsaham-bato miisa 5 tao Faratsiho, dia nahazo 829 ity kandida laharana faharoa ity ity, raha toa ka 487 kosa ny an’ny kandida Mily na Ramilison Nomenjanahary laharana faha-3 avy amin’ny Firaisankina. Ankavitsiana ny fokontany sy birao fandatsaham-bato nitarihany satria saika nanjakan’ny kandidan’ny Firaisankina ny ivelan’i Faratsiho Renivohitra, eny fa na ny ao an-dRenivohitra aza mifandanja ihany satria misy itarihan’ny firaisankina 88-352 ; 174-101 ; 170-33 ; 101-104 ; 94-120 ; 63-147,… Ny tao Tsaramandimby 39-166 ; 65-120 ; tao Telomirafy Soa 49-128 ; 56-141 ; 32-196 ; Ambohitsirano : 44-87 ; 20-69 ; Ambatoatsipy : 51-75 ; 26-15 ; Ankonabe II 33-236,… Ampaham-bokatra ireo, ary samy mamoaka sy milaza ho mpitarika aloha na ny andaniny na ny ankilany amin’ny alalan’ireo birao fandatsaham-bato nitarihiny, saingy raha ny sary mitranga sy ny vokatra vonjimaika azo, dia ratsy toerana ny kandidam-panjakana. Any Morondava ihany koa izay Minisitry fanatanjahantena teo aloha Atoa Haja Resampa ihany koa dia tsy afaka saika mitarika amin’ny ankamaroan’ny Birao fandatsaham-bato ny lisitra tarihin’ny kandida izay nodimandry Itompokolahy Mamy Claver Meryson, toy ny taoTsimavahobe 104-128 ; 108-143; 88-93 ; Namahora Atsimo : 71-138 ; 109-139 ; 92-125 ; 71-136 Ambalanombibe 143-70,… Ratsiratsy toerana ihany koa izany aloha ity Minisitra teo aloha ity raha ny vokatra vonjimaika omaly. Samy miandry ny fivoarany moa ny rehetra ka asa na hijanona amin’izao na hitsimbadika ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT