Mbola mitombina foana ankehitriny ny fanontanian’ireo mpanara-baovao amin’ny fivoaran’ny raharaham-pirenena ankehitriny dia ny hoe tena hamoaka ny firenena Malagasy amin’ny krizy lavareny izay niainany tao anatin’ny fe-potoana iray fitantanana mpitondra voafidim-bahoaka ara-dalŕna ve ny firosoan’i Madagasikara amin’ny fifidianana izay natao tery vay manta tsotra izao ?
Tena niavaka raha samy fifidianana notanterahana teto amintsika mantsy ity notanterahana tamin’ity taona 2013 ity. Na izany teo amin’ny lafiny fikarakarana sy fanomanana izay ny firenena vahiny no namatsy vola azy, na ny fotoana nanatanterahana azy izay ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fahavaratra, na indrindra indrindra ireo rafitra napetraka hitantana mialoha, mandritra sy aorian’ny fifidianana. Tsy iverenana intsony ny lalan-tsarotra efa nizoran’ny vahoaka Malagasy tao anatin’izay fitondrana tetezamita tena naharitra izay. Nanahirana ireo olom-boatendry rahateo ny fiaraha-mitantana izay niteraka fijaliana sy fahoriana teny anivon’ny isan-tokantrano. Ankehitriny dia tonga amin’ny fotoana hiverenan’ny fahefana any amin’ny vahoaka isika izay sahy naneho ny heviny tamin’ny alalan’ny fandatsaham-bato. Ny tena manaitra amin’ny voka-pifidianana vonjimaika navoakan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana mandritra ny tetezamita dia toa maniry ny hitohizan’ny tetezamita ny olom-pirenena Malagasy satria mifanipaka be ihany ny safidiny teo amin’ny fifidianana filoham-pirenena sy ireo solombavam-bahoaka vaovao. Raha zohina mantsy ity voka-pifidianana ity dia mbola fitondrana iaraha-mitantana indray no hisantatra ny Repoblika fahaefatra.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.