Voka-pifidianana navoakan’ny CENI-T

> Nandresy mazava ao Antsirabe I ny kandida depiote Michel Ambalavato


  • Sabotsy 04 Janoary 2014

Nisento tokana ny mpomba ny kandidŕ depioten’ny movansy Ravalomanana ao Antsirabe I, Michel Ambalavato raha nahita ny voka-pifidianana tsy mbola ofisialy navoakan’ny CENI-T ny datin’ny 2 janoary 2014 tamin’ny 10:44:02.

 

Nandresy mazava tamin’ny isam-bato 15.686 manome ny salan’isa 27,15% ny tenany nanoloana ny mpifaninana aminy akaiky dia ny lehiben’ny Faritra teo aloha Paul Razanakolona, kandidan’ny Malagasy Miara-Miainga izay nahazo vato 14.982 amin’ny salan’isa 25,93% ary laharana fahatelo ny kandidàn’ny MAPAR, Atoa Hajarisaona Elima amin’ny isam-bato 4.479 izay misala 7,75%. Na tsy mbola ofisialy aza moa ity vokatra navoakan’ny CENI-T ity dia hafaliana tanteraka no nandraisan’ireo mpomba ny Kandidà Michel Ambalavato izany ny marainan’ny zoma 03 janoary tao amin’ny foibe toeran’ny Movansy Ravalomanana ary matoky ireo vahoaka fa hanaja izay safidim-bahoaka izay ny CES izay hamoaka ny vokatra amin’ny fomba ofisialy. Raha tsiahivina dia efa niteraka resabe tao Antsirabe ny fitsimbadihan’ny voka-pifidianana ho solombavambahoaka satria nisy ny famadihana ny vokatra tamina biraom-pifidianana niisa 9 ka ny kandidà Razanakolona Paul indray no nitarika tamin’ny isam-bato izay navoakan’ny SRMV. Nisy ny fanehoana porofo maromaro nanamarina izany nasehon’ny kandidà Michel Ambalavato, niainga tamin’ny fitanana an-tsoratra teo am-pelatanany niampy ny avy tamin’ireo kandidà mpifaninana hafa ka dia nivoaka ihany ny marina. Tsy mbola naneho hevitra momba ity fivoahan’ny vokatra ity moa ny Kandidà Michel Ambalavato hatreto fa dia fisaorana hatrany ny vahoaka nohon’ny filaminana nasehony aloha no nambarany fa dia samy miandry ny vokatra ofisialy avoakan’ny mpitsara momba izany ny rehetra ,hoy hatrany ny tenany.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT