Voka-pifidianana maro kasaina hatsimbadika

Tsy manaiky ho resy na efa aloam-bahoaka aza…


  • Alakamisy 06 Jona 2024

Toy ny tsy fanekena ho diso teo amin’ny tantara niainga tany amin’ny fanonganam-panjakana 2009 nitohy

tamin’ireo fitantanana tsy manjary samihafa sy ny setrasetra politika ihany no lalan-tsaina entin’ny olon’ny fitondrana sasany maneho ny tsy fahazakana resy amin’izao fifidianana izao. Zary lasa mampihomehy ny maheno kandidam-panjakana sahy milaza sy mivoy fa nangala-bato, nanao hosoka tamin’ny bileta efa voamarika mialoha na « bulletins pré-cochés », nizara zavatra, nanao herisetra, tsy namela ny olon’ny kandidam-panjakana hifidy,… ny kandida avy amin’ny fanoherana. Fitondrana mpisetrasetra lava io ve hanaiky lembenana raha tena nisy tokoa ny tranga tahaka izany ? Tsy hanaiky velively fa tofoka sy leo ny vahoaka ka na efa mandeha aza ny fampiasana vola tsy toko tsy forohana, setrasetra politika, fanoloana sefom-pokontany, fanerena ny mpampianatra hanohana kandidam-panjakana,… dia betsaka ny toerana no resy na tsy lohalaharana ny kandidam-panjakana. Anisan’izany ny fiampangana ny kandidan’ny fanoherana ao amin’ny Boriborintany faha-5 rehefa tsy mitarika ny kandidam-panjakana izay nizahozaho sy nihogahoga fa tsy maintsy poa-droa, ka lazaina fa nangala-bato sy nanao herisetra ny mpifanandrina izay mitarika vonjimaika. Hitam-poko hitam-pirenena anefa ny setrasetra samihafa nataon’ny volomboasary. "Nivadika marina ny glôby. Izaho sy Fetra Ralambozafimbololona Razafitsimialona indray ity no lasa mangala-bato sy manapaka jiro ary midaroka.", hoy i Guy Rivo Randrianarisoa lisitra faharoan’ny Firaisankina tao amin’ny Boriborintany faha-5 omaly. Ny any Faratsiho moa, dia miantehitra mafy ny HCC hanatsimbadika ny voka-pifidianana kanefa ny SRMV izay rafitra ara-dalàna miantsoroka no namoaka tao anatin’ny vokatra feno nokirakirainy fa mitarika amin’ny salan’isa 45,29% amin’ny alalan’ny vato 22897 ny kandida Nomenjanahary Ramilison na Mily, raha toa ka 40,64% amin’ny alalan’ny vato 20646 kosa ny kandida Lalatiana Rakondrazafy, izany hoe : 2251 be izao ny elanelam-bato. Ny etsy Antanifotsy, ampangain’ny nataony ny Fitondrana izay nieritreritra fa tamin’ny alalan’ny fanambazana motos ireo ben’ny tanàna no hahazoana fandresena, kinanjo nitsefotra, ka dia raikitra ny fanatsoahana an’ireo motos tany amin’ny ankamaroan’ireo ben’ny tanàna. Betsaka amin’ireo faritra sy distrika mety haharesy ny kandidam-panjakana no ahiana hitsimbadika, indrindra fa kely ny elanelan’isa. Betsaka ohatra no tsy mahatoky ny vokatra any Morondava izay nitarihan’ny lisitry ny kandidan’ny Firaisankina Itompokolahy Mamy Claver Meryson, saingy mitsimbadika any amin’ny Minisitra teo aloha Atoa Haja Resampa ka misy amin’ireo olom-pirenena no tsy mahatoky sy miantso hoe : avoahy ny birao fandatsaham-bato nahazoanareo an’io vokatra io. Ny etsy Ambatolampy dia kely ny elanelana, ary betsaka ny manahy fa atao izay handresen’ny Minisitry ny Atitany teo aloha Atoa Tianarivelo Razafimahefa,…
TSOTSOFINA HO LAHARANA FAHA-2
Betsaka ireo tsotsofina vao tafiditra laharana faharoa na ahiana hoterena ho laharana faharoa any amin’ireo distrika misy toerana roa, toy ny ao Antsiranana I, Mahajanga I, Antananarivo II, Antananarivo III, Antananarivo VI, Amparafaravola,… Efa kapoka mivaivay ho an’ny Fanjakana sy ny Filoham-pirenena tenany mihitsy, ohatra, ny tranga ao Antanimora Sud, izay Atoa Andry Rajoelina mihitsy no tonga nanao propagandy ankolaka hoe : mila olona efa za-draharaha, mila olona mahay miresaka sy miara-miasa amiko hisolo vava anareo, mbola tianareo ve ny hiverenako aty, kinanjo nofaizin’ny vahoaka ny kandidam-panjakana, any amin’ny laharana fahatelo, ary tena tataka ny elenelam-bato,…
Toky R
Légende : Ny HCC no antsoantsoina sy andrandrain’ny kandidam-panjakana ratsy toerana sasany hanavotra sy hanao fahagagana hipasoka ny daomy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT