Tsy maintsy haverina ny zoma 13 novambra izao ny fifidianana ho an’ireo kaominina 19 nahitana tsy fahatomombanana, araka ny didim-pitsarana navoakan’ny tribonaly misahana ny ady ifanaovana amin’ny fanjakana.
Manana 15 andro handinihana ireo antontan-taratasim-pifidianana moa ireo rantsamangaika misahana ny fifidianana na SRMV aorian’ny daty nanatanterahana ny fifidianana. Fe-potoana 30 andro kosa no takiana amin’ny tribonaly administrativa tsy maintsy hamoahany ny voka-pifidianana ofisialy, araka ny voafaritry ny lalàna velona mifehy ny fifidianana. Raha atao ny kajy tsotsotra dia hivoaka ny 28 desambra 2015 na 24 ora mialoha ny fifidianana ireo loholon’i Madagasikara ny anaran’ireo mpanolotsaina sy ben’ny tanàna voafidy ao amin’ireo kaominina 19 ireo. Mpifidy lehibe handrafitra ny fifidianana senatorialy hotanterahina ny 29 desambra 2015 anefa ireo mpanolotsaina sy ben’ny tanàna rehetra manerana ny nosy. Tsy mbola fantatra izany hatreto ny mety ho fahafahan’ireo olom-boafidy vaovao na tsia avy amin’ireo kaominina miisa 19 ireo handray anjara amin’ny latsa-bato fandaniana ireo senatera miisa 42. Ady seza hisian’ny maro an’isa rahateo no resaka ka tsy maintsy mandeha ny kajikajy politika.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.