Voka-pifidianana isaky ny Birao fandatsaham-bato

Avoahy amin’ny tranonkalan’ny CENI, hoy ny KMF-CNOE


  • Alakamisy 06 Jona 2024

Miantso ny CENI mba hamoaka ny vaovaon’ny valim-pifidianana isaky ny birao fandatsaham-bato,

amin’ny alalan’ny tranokalany sy ny tambazotran-tserasera ny KMF-CNOE Fanabeazana olom-pirenena omaly, tao anatin’ny fanambarana Lah. 04/ Fan/ Jona/ 2024/KMF-CNOE nataony. Tanjona ao anatin’io ny mba hisorohana ny resabe mandeha fa fanaronana hala-bato io famoahana ny fironana ankapobeny fotsiny io. Betsaka rahateo ireo ahiahy, ary tsy vao sambany tamin’ny fanairana mikasika ny karazana filalaovana ilay fironam-bokatra avoakan’ny CENI ity nataon’ny KMF-CNOE ity. Raha tena misy ny finiavana hamoaka ny mangarahara dia tsy tokony hisy ny olana amin’ny famoahana an’io, ary ahafahan’ny rehetra indrindra fa ireo kandida mampitaha hoe : tena ny voka-pifidianana tena izy tokoa ve no avoaka sa ny tetika maloto hoentina mampandresy ny kandida sasany.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT