Fifanandrifian-javatra fotsiny ihany sa inona, fa dia mahatratra 33 izao ireo fitarainana mikasika ny fifidianana voaran’ny Fitsarana manokana momba ny fifidianana na CES etsy Ambohidahy raha ny fanazavan’Atoa Rakotozafy François, filohany, tamin’ny mpanao gazety omaly.
Ny 4 amin’ireo dia fitarainana mikasika ny fifidianana filoham-pirenena raha 29 kosa ny mahakasika ny fifidianana solombavam-bahoaka. Taorian’ny nanankianan’ny gazety maromaro ny fomba fiasan’ity Fitsarana manokana momba ny Fifidianana ity dia namory mpanao gazety tao amin’ny foibeny tetsy Ambohidahy ny filohan’ity andrimpanjakana iray ity Atoa Rakotozafy François. Nambarany tamin’izany fa ny vokatra vonjy maika izay raisin’izy ireo avy amin’ny CENI-T no dinihany ao anatin’ny 15 andro ary entiny hamoahana ny vokatra ofisialy avy eo. Mba hisian’ny fangaraharana eo amin’io vokatra io dia nanapa-kevitra hampanao «saisie» tahaka ny eny Alarobia ihany koa ny CES ka ireo firaketana an-tsoratra ny voka-pifidianana na PV ireo no ho entina hampitahaina raha misy ny tsy fitoviana na koa aharaisana fitarainana. Entin’izy ireo manaporofo izany fa tsy fanohizana fotsiny ny asan’ny CENI-T akory no ataon’ny CES fa mahaleotena izy ary afaka manafoana ny vokatra amin’ny ampahany na koa iray manontolo mihitsy aza raha toa ka mihoapampana tsy fanarahan-dalana. Efa ny 48,74% amin’ireo birao fandatsaham-bato hatreto no efa vita «saisie» ao amin’ny CES.
Nofy R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.