Voapasoka ny daomy tao Tsimbazaza

Lany PAN lany 100% i Tokely, mety haverina minisitra i Michelle…


  • Zoma 12 Jolay 2024

Ny Minisitra teo aloha Tokely Justin, depiote voafidy tany amin’ny distrikan’i Sambava

no voafidy ho Filohan’ny Antenimierampirenena vaovao, nandimby an-dRtoa Christine Razanamahasoa sy ny mpandimby vonjimaika dia ny depiote Jean Jacques Rabenirina. Samy nandany azy avokoa izany ny IRMAR izay nanolotra azy, ny tsy miankina, ny Firaisankina, Kolekitifa, Fivoi,… Votsotra tamin’i Fianarantsoa izany ny PAN taorian-dRtoa Christine Razanamahasoa satria tsy lasa PAN ihany koa Minisitry ny fanabeazam-pirenena teo aloha Marie Michelle Sahondrarimalala izay mandeha ny feo fa mety haverina ho Minisitra eo amin’ny toerana nialany ihany. Sa mbola voatazona ilay hoe : tsara toerana ho Praiminisitra na mbola mandindona aza ny alok’Atoa Ntsay Christian ? Kandida tokana ary lisitra faharoa tany Sambava ity Minisitra teo aloha ity. Tamin’ireo depiote 163, dia ny 3 no tsy tonga, ka ny 160 dia nandany azy avokoa. Niverina izany ilay sary tamin’ny nifidianana an-dRtoa Christine Razanamahasoa izay lany 100%. Heverina fa nisy ny fifandaminana tao Tsimbazaza satria tsy hanova na inona na inona ny fifidianana na tsia avy amin’ireo ivelan’ny antokon’ny fitondrana, ka fiaraha-mientana ka ny firaisam-poen’ny samy depiote no antony, izay tany amin’ny mety ho fifandaminana tamin’ny fandrafetana ny Birao maharitra no setriny. 50 taona ity PAN vaovao ity, manambady, manan-janaka 2, adminisitratera sivily, efa Chef Distrikan’i Andapa ny taona 2005-2009, Lehiben’ny Distrikan’i Ambilobe ny taona 2009-2014, Talen’ny INDDL (Institut National de la Décentralisation et du Développement Local) ny taona 2014-2018; Tale Jeneralin’ny INDDL ny taona 2018 - 2019 ; Governora ny Faritra SAVA ny taona 2019-2022 ; Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjara-pahefana ny taona 2022- 2024 ; Minisitry ny Atitany ny Janoary 2024-mey 2024. Niarahaba ny solombavambahoaka rehetra voafidy isaky ny distrika ny PAN vaovao. Manao lalàna, manara-maso ny asan’ny governemanta, manao tombana ny asan’ny governemanta,… no asan’ny solombavambahoaka, ka izaho dia hametraka ho isan’ny fitaovana lehibe mba hahafahantsika manatanteraka izay asantsika izay dia ny fahalalahana sy fahafahana miteny, fahafahana maneho hevitra », hoy ny PAN Tokely Justin. Izay, hoy izy, ny fitaovana ahafahana manatanteraka ireo andraikitra 3 nolazainy. Nanome toky ny depiote noho izany ity farany fa tsy hisy hotapenam-bava ao amin’ny antenimierampirenena, tsy hisy hatao zanak’ikalahafa na avy amin’ny antoko inona na vondron’antoko inona. Tsy misy depiote ambony na depiote ambany, fa mitovy avokoa.
Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT