Politique

Voahangy Rajaonarimampianina Mihorohoro ny ho very fihinanana ?


  • Alarobia 25 Aprily 2018

Tsy fantatra mazava ankehitriny na efa eto an-tanindrazana i Voahangy Rajaonarimampianina, vadin’ny filohantsika na mbola any ampitan-dranomasina.

 
Tsiahivina fa ny 20 aprily lasa teo no niala teto Madagasikara nihazo ny nosy Maorisy, avy eo nankany Frantsa ny filoha mivady sy ireo zanany, ary somary navesabesatra ihany ny entan’izy ireo, raha ny sary azo teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. Nandeha taorian’izay ny resaka fa lasa nitsoaka nandositra ny filoha sy ny fianakaviany, saingy nandiso izany ny Seraseran’ny Fiadidian’ny repoblika rehefa nivoaka io feo io, ka nolazaina fa nanao iraka ny filoha. Tsy nisy ny fampahafantarana mazava ilay ambara fa iraka mandrak’androany. Niverina an-tanindrazana ny 22 aprily ny filoha, fa tsy hay kosa ny momba an’i Voahangy Rajaonarimampianina. Tsy hita tany Toamasina ihany koa mantsy ny alahady teo ramatoa. Any an-dafy sa eto an-tanindrazana ihany ? Raha ny re dia efa eto an-tanindrazana, ary mitady hevitra mafy hiarovana ny fahefana eny Iavoloha izy. Raha ny resaka mandeha hatrany, dia somary lasa masiaka satria mety miakatra ny rarin-tsaina amin’izao fotoana mampiozongozona mafy ny fanjakana izao. Anisan’ny malaza ho diso mitsabaka amin’ny fitantanana ny firenena rahateo ny tenany. Resabe teto amin’ny firenena tamin’ny fanesorana ny praiminisitra Jean Ravelonarivo ny feo niely, fa tsy nety nody teto an-tanindarazana izy raha tsy nesorina io tomponandraikitra ambony io. Voatonona ho miditra an-tsehatra amin’ny fanendrena sy fampidirana mpiasam-panjakana na mpianatra amina sekoly ambony manofana mpiasam-panjakana, ary malaza fa fomba tena hoentiny mangoron-karena izany. Tsy misy afaka ny hitompo teny fantatra ny amin’izany. Ny azo antoka dia matahotra mafy ny ho very fihinanana ny vadin’ny filoha amin’izao fanjakana HVM efa tena ratsy toerana izao, ka re fa somary hentintretitra be ihany any an-dapa any.

Toky R

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT